Fandikàna Gazety: Teny vaovao, Tambajotra & Maro hafa!

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Desambra 2015)lingua
Arahaba ry, namana GV'ers!

Ialàna tsiny ny fahataràn'ny gazetintsika tamin'ìty herinandro ity. Mbola niady tamin'ny hatsiaka aho ary nandany ireo andro vitsivitsy toy ity hitanareo amin'ny sary ity:

corgi

Sary tao amin'ny www.corgicorner.com

Ankehitriny satria efa miverina tsikelikely ny hery sy tanjako, ndeha isika hiresaka momba ny …

Mamola-tena hianatra samirery tenimpirenena iray

Screenshot taken from www.newyorker.com

Pikantsary avy amin'ny www.newyorker.com

Iray amin'ireo mpanoratra tena ankafiziko tamin'ny fotoana rehetra i Jhumpa Lahiri ary izy dia nanoratra tantara kely iray mahafinaritra ao anatin'ny The New Yorker, nomeny lohateny hoe “Ianaro Samirery ny Teny Italiana“. Resahana ao ny momba ny maha-zavadehibe aminy ny teny, ary tohizany ny làlany amin'ny fianarana tenimpirenena vaovao ao anaty toerana iray tena vaovao tanteraka, sy ny fomba nandrafetan'izany ny maha-izy azy. Mpisehatra iray ao anatin'ity lahatsoratra iray mahafinartira voasoratra ity ny Italiàna ary tsy vitako ny hiato tsy hamaky azy. Antenaiko fa hankafy koa ianareo!

Tambajotran'ny Fiteny

Screenshot taken from wespeke.com

Pikantsary nalaina tao amin'ny wespeke.com

Ny WeSpeke dia tambajotra iray lehibe ho an'ireo olona mitady ny handrafitra ny traikefany amin'ny resaka fiteny & fifangaroanà kolontsaina samihafa. Hoy izy ireo,

Manampy hanangana ireny traikefa ireny ny WeSpeke amin'ny fanomezana tambajotra iray maimaimpoana erantany izay ahafahan'ireo olona avy amin'ny firenena rehetra, kolontsaina sy finoana samihafa erantany mifandray ao anaty habaka iray azo antoka mba hianarana tenimpirenena, ifampizaràna kolontsaina, ary hanànana namana erantany. Afaka mifampiresaka ny mpinamana tsirairay ao, avy amin'ny faritra rehetra sy amin'ny fotoana rehetra, amin'ny fampiasàna soratra, feo sy lahatsary.

Ny Tenimpirenene Voalohany ho anao

Screenshot from www.fastcoexist.com

Pikantsary avy ao amin'ny www.fastcoexist.com

Araka ny Fast Company, ny tenimpirenena ianaranao voalohany dia mety hanova ny fomba fandikànao ny tenimpirenena hafa rehetra aorian'izay — na adinonao aza izy io any aoriana! Ao anatinì'ity lahatsoratra ity, resahan-dry zareo ny momba ny andrana nataon'ny MRI notarihan'i McGill University sy ny Montreal Neurological Institute izay miresaka momba ny siansa ao ambadiky ny fandikàna ireo tenimpirenena vaovao miainga avy amin'ny tenindrenin'ny olona iray. Vakio & dia ampahafantaro anay izay hevitrao momba izany!

Media sosialy & Tenimpirenen'ireo Vitsy an'isa

Screenshot from termcoord.eu

Pikantsary avy amin'ny termcoord.eu

Trandrahan'ny Terminology Coordination ny fiantraikan'ny aterineto sy ny media sosialy amin'ireo tenimpirenena madinika sy tandindonin-doza, ao anatin'ity lahatsoratra ity nomeny lohateny hoe, “Aterineto sy media sosialy – fahasoavana sa ozona ho an'ireo fitenin'ny vitsy an'isa?” Loza mitatao ho an'ireo teny madinika ve ny aterineto sa mandrisika kosa ny fanomezana aina vao azy ireny? Tsidiho ny rohy etsy ambony mba hamakianao ny adihevitra sy handraisanao ny fanapahankevitra!

—————

Toy ny mahazatra, isaorana ianareo rehetra noho ny asa mafy sy fanokanantena omenareo ho an'ny GV!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.