Tontolon'ny bilaogy Kenyana – fanokafana 2006

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2006)

Manana lahatsoratra momba ny firaisana ara-nofo voaaro sy tompon'andraikitra  i Ms K, indrindra amin'izao vanim-potoanan'ny fanalalahana izao, mandrisika ny olona mba hiaro ny tenan'izy ireo

Mama JunkYard manokatra ny taona vaovao tamin'ny vaovao manafintohina fa nisy olona nandefa mailaka tamin'ny anarany, lasibatra hafa amin'ny fisolokiana mailaka ataon'ireo mpandoto rindrina sy mailaka.

Nasongadin'ny Mental Acrobatics izay tafahitsoka tamin'ny fiampitàna tsy nisy pasipaoro sy tapakila ny loza mandritra ny dia sy ny fiankinana tanteraka amin'ny sitrapo sy ny fahombiazan'ny zotram-piaramanidina, miampy ny ataon'ny mpiasan'ny zotram-piaramanidina tsy manampy mihitsy nitazona azy tamin'ny toerana tena mafy sy tsy mampahazo aina.

Raha miaiky i Prousette’s fa somary minomino foana izy, dia nahatsapa volo mitsangana tao an-katoka raha namoaka fanambarana mahagaga ny namana iray minomino foana:

you should never give someone money because they might take it to the mganga and pray (or whatever it is that waganga do) for it and you will have financial trouble.

*for the uninitiated mganga is a voodoo man*

Tsy tokony hanome vola olona na oviana na oviana ianao satria mety ho entiny any amin'ny mganga sy hivavahany (na inona na inona ataon'ny waganga) ho an'izany izy ireo ary hanana olana be ara-bola ianao.

*ho an'ny tsy mahalala, lehilahy “vaudou” ny mganga

Mipetraka indray ny lohahevitra tena mampiadihevitra momba ny varotra andevo, ireo mpandray anjara sy ny fanonerana izany indray. Keguro manadihady momba ny fandraisan'ireo Afrikanina anjara, sy ny fikasan'izy ireo hanala tsiny izany. African Bullets And Honey manontany tena ny fomba hitsinjarana ny tsiny, ary manontany hoe nahoana no mbola misy any amin'ny firenena sasany izany ankehitriny.

KenyanMusings mitanisa ireo toetra sasantsasany eo amin'ny lehilahy hovadiany. Ny hany toetra misongadina be dia TSY MAINTSY TIA BOKY IZY

Miaraka amin'ny fahafantarana ny tsambinkina mampidi-doza sy ny tsambinkina aoriana, mila mandalo izany ny ankamaroan'ny Afrikana mba ho afaka mandehandeha any ‘Westwards (Faritra Andrefana)’ Kenyan Pundit tsy dia manana fangorahana firy rehefa mifamadika kiraro ny tongotra, toy ny nitranga tamin'ny olona mila mandeha any amin'ny Repoblika Demokratikan'i Congo.

Misalasala i Wangari haneho hevitra amin'ny vaovao fa vehivavy efa lehibe iray, izay toa salama tsara ara-tsaina, no nanao fifamofoana tamin'ny lambondriaka (feso na dauphin) lava mainty sy manga

Tonga any Nairobi i Deno ao amin'ny Virtual Insanity ary saika nahita miharihary avy hatrany fa miavaka eo anelanelan'ny ala sy ny fanamarihana i Nairobi

Gishungwa namoaka resadresaka poetika eo amin'ny anabavy sy anadahy

Miala amin'ny fialantsasatra, mitantara ny zava-niainany tamin'ny fahatarana tao amin'ny seranam-piaramanidina i Guessaurus  — ny sasany noho ny olana ara-mekanika ary ny hafa noho ireo mpandeha voasariky ny vokatra hordea (karazam-barimbazaha)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.