Thailandy : mpanao sariitatra noenjehina noho ny fanehoan-kevitra nanevateva ny Praiminisitra tao amin’ny Facebook

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Mey 2013)

Notorian’ny Praiminisitra Thailandey, Yingluck Shinawatra, ilay mpanao sariitatra malaza, noho ny fanehoan-kevitra nanala baraka azy tao amin’ny Facebook, izay nampitaha azy tamin’ny mpivaro-tena noho ny ‘’fivarotana ny fireneny’’.

Tao anatin'ny fitoriana napetraka tamin’ny 3 May 2013, niampanga an’i Chai Rachawat i Ramatoa Shinawatra tamin’ny faniratsirana ny tompon’andraiki-panjakana nandritra ny lanonana ofisialy, nanala baraka tamin’ny alàlan’ny dokam-barotra sy ny nanitsakitsaka ny lalana miady amin'ny heloka an-tserasera tamin’ny taona 2007, izay mandrara ny fanaovana fanehoan-kevitra manala-baraka ao amin’ny Aterineto.

Naneho hevitra tao amin’ny pejiny Facebook momba ny lahateny nampiady hevitra nataon’i Ramatoa Shinawatra i Chai, izay mpanao sary fanehoana tao amin’ny gazety malaza Thai Rath:

Essayez de comprendre…la prostituée n'est pas une personne mauvaise. Elle ne fait que vendre son corps. Mais cette femme vile est en train de vendre son pays.

Mba saino kely— tsy olona ratsy ny mpivaro-tena. Mivarotra ny vatany fotsiny no ataony. Saingy mivarotra ny fireneny ity vehivavy ratsy ity.

Tao anatin’ny roa taona teo amin’ny fitondrana, ity no fotoana voalohany nanaovan’ Ramatoa Shinawatra, izay vehivavy voalohany Praiminisitra tany Thailandy, fitoriana olom-pirenena noho ny fanehoan-kevitra tao amin’ny tambajotra sosialy.

Nanao kabary nanakoako tany Thailandy i Ramatoa Shinawatra nandritra ny Fihaonamben’ny minisitera iraisam-pirenena faha-7 ho an’ny Demokrasia izay natao tany Mongolia. Notantarainy ny zava-niainany mba ho fampitandremana ho an’ireo mpitondra hafa momba ny firodanan’ny demokrasia tao amin’ny fireneny sy ny alahelo naterak’izany ho an’ny fianakaviany.

Zandry vavin’ilay Praiminisitra teo aloha Thaksin Shinawatra ihany koa ity Praiminisitra ity, izay niharan’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2006 ihany koa ny tenany. Nandeha an-tsesin-tany an-tsitrapo i Thaksin avy eo mba handosirana ny sazy an-tranomaizina noho ny kolikoly.

Prime Minister Yingluck Shinawatra. Image from Wikipedia

Ny Praiminisitra Yingluck Shinawatra. Sary tao amin'ny Wikipedia

Ity ny sombiny tamin’ny kabary nataon’i Ramatoa Shinawatra tamim-pahatsoram-po ny 29 Aprily 2013 :

Nous pensions tous que la nouvelle ère de la démocratie était enfin arrivée en Thaïlande…ce n'était pas vrai. Un gouvernement élu, qui avait gagné deux élections à la majorité, a été renversé en 2006. La Thaïlande a alors perdu le fil et le peuple a passé presque une décennie à essayer de regagner les libertés démocratiques… Mon frère, Thaksin Shinawatra, était un leader légalement élu. Nombre d'entre vous qui ne me connaissent pas diront : ‘Pourquoi se plaindre ?’. C'est un processus normal ; les gouvernements se font et se défont. Si ma famille et moi étions les seuls à souffrir, je laisserais peut-être les choses en l'état. Mais ce ne fut pas le cas. La Thaïlande a souffert… l'état de droit a été détruit… le peuple a senti que ses libertés et ses droits étaient injustement niés.

Mihevitra isika fa tonga any Thailandy ihany ny vanim-potoanan’ny demokrasia vaovao…tsy marina izany. Nahongana tamin’ny taona 2006 ny governemanta voafidy, izay nahazo ny maro an'isa tamin'ny fifidianana anankiroa. Tsy nahatsiaro ny fotoana intsony i Thailandy ary nandany efa ho ampolo taonany ny vahoaka tamin’ny fihezahana hamerina ny fahalalahana demokratika…Mpitondra voafidy ara-dalàna ny anadahiko, Thaksin Shinawatra. Maro aminareo izay tsy mahalala ahy no hilaza hoe : ‘Nahoana no mitaraina’ ?
Dingana mahazatra izany ; Miovaova ny governemanta. Navelako amin’izao izany raha izaho sy ny fianakaviako ihany no nijaly. Nefa tsy izany no izy. Nijaly i Thailandy…rava ny tany tan-dalàna…nahatsapa ny vahoaka fa nolavina tsy ara-drariny ny fahalalahany sy ny zony.

Nokianiny mihintsy aza ny lafiny sasantsasany tamin’ny Lalàmpanorenana Thailandey :

Il est clair que des éléments antidémocratiques demeurent. La nouvelle constitution, rédigée sous le gouvernement issu du coup d'Etat, a mis en place des mécanismes qui restreignent la démocratie.

Un bon exemple en est le fait que la moitié des membres du Sénat est élue, et l'autre moitié est nommée par un collège. De plus, les agences censément indépendantes ont abusé du pouvoir qui devrait appartenir au peuple, au profit de quelques-uns plutôt que de la société thaïlandaise dans son ensemble.

Mazava fa mbola mitoetra ny singa tsy ara-demokratika. Nametraka rafitra mametra ny demokrasia ny lalàm-panorenana vaovao natolotry ny governemanta avy amin’ny fanonganam-panjakana.
Ohatra tsara ny hoe, voafidy ny antsasaky ny mpikambana ao amin’ny Antenimieran-doholona, ary ny antsasany kosa notendren’ny olom-bitsy. Ankoatra izany, nanararaotra ny fahefana tokony ho an’ny vahoaka ireo fikambanana tsy miankina, izay tombontsoa ho an’ny olona vitsy an’isa fa tsy ho an’ny fiarahamonina Thailandey amin’ny ankapobeny.

Navoaka tao amin’ny YouTube ny lahatsarin’ny kabariny:

Nahatezitra ny mpanohitra, ny miaramila, ny fampahalalam-baovao ary ny Antenimieran-doholona ny teniny, ary niteraka adihevitra mafana tao amin’ny Aterineto. Maro no nampiasa ny Facebook mba hamoahan'izy ireo ny fahasorenany.

Loholona miisa 60 teo ho eo no nanameloka ny fihetsika nataon’Atoa Shinawatra ary nitaky ny mba hialany tsiny amin’ny vahoaka Thailandey. Nampatsiahy azy ny Loholona Nareewan Jintakan fa nesorina i Thaksin noho ny fanararaotam-pahefana nataony :

Le Premier Ministre prétend que son frère a été maltraité. Ce n'est pas toute la vérité. Le coup d'Etat de 2006 a été déclenché par les abus de pouvoir de Thaksin. Il avait des conflits d'intérêt et était dénué de toute éthique requise dans la gestion d'un pays.

Nilaza ny Praiminisitra fa nampijaliana ny anadahiny. Tsy izany no tena marina. Vokatry ny fanararaotam-pahefana nataon’i Thaksin ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2006. Nanana fifandirana ara-tombontsoa izy ary tsy nanana intsony ny etika notakiana taminy tamin’ny fitantanana ny firenena .

Nanameloka ny ‘’hadalana’’ nataon-dRamatoa Shinawatra i Vasit Dejkunjorn, ilay polisy manam-boninahitra misotro ronono, izay nanana toerana ambony tao amin’ny Mpiambina ny Mpanjaka, noho ny filazana ny tsy fahamarinan-toeran’i Thailandy kanefa tokony ny hampiroborobo ny firenena amin’ireo mpampiasa vola vahiny no tokony ho asany.

Nandrehitra ny fanehoan-kevitra avy amin’ireo mpisera Aterineto ny fanehoan-kevitra nataon’i Cha , izay maro tamin’izy ireo no nanakiana mafy ilay fanamarihana. Ao amin’ny vavahadim-baovao Pantip, nanangana ny vondrona ‘’Halanay i Chai Redchawat’’ ny vondrona mpisera Aterineto ho setrin’ny fanehoan-kevitra nataony tao amin’ny Facebook. Tsy maneso ny zavatra nosoratan’i Chai  araka ny voalazan’ny ban_rach16 :

Un dessinateur humoristique ne devrait pas viser aussi bas. Ce n'est pas de la satire politique, c'est chercher à semer le désordre.

Tsy tokony hikendry amin’ny fisainana ambany tahaka izany ilay mpanao sariitatra mahatsikaiky. Tsy fanesona ara-politika izany, fa fikasana hanaparitaka korontana.

Tao amin’ny vavahadin-tserasera hafa, Ban Ratchadamneon, nitobaka ihany koa ireo hafatra manohitra an’i Chai Ratchawat. Naneho hevitra i Ta Kob Dong hoe :

Il [Chai] n'a aucune morale mais il a été mis sur un piédestal. Maintenant, on voit tous son vrai visage.

‘’Tsy misaina mihitsy izy [Chai], fa saingy nomena toerana ambony fotsiny. Ankehitriny, hitantsika rehetra ny tena endriny.

Nandritra izany fotoana izany, nanakorontana ny foiben’ny gazety Thai Rath ny vondrona Lobaka Mena, izay manohana ny Manda Mivondrona Nasionaly ho an’ny demokrasia sy manohitra ny didy jadona, natsangana mba hanoherana ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2006 izay natao tamin’ny anadahin’i Yingluck, ary nitaky ny fanesorana an’i Chai. Nilanja sora-baventy niaraka tamin’ity hafatra manaraka ity ny iray tamin’ireo mpanao fihetsiketsehana :

Qu'y a-t-il de si mal à être une prostituée? Il y a beaucoup de prostituées qui aiment leur pays. Contrairement à certains médias qui vendent leur âme et oublient leurs propres idéaux.

Inona no tena ratsy amin’ny hoe mpivaro-tena ? Maro ireo mpivaro-tena tia ny fireneny. Tsy toy ireo fampahalalam-baovao sasany izay mivarotra ny fanahiny ary manadino ny idealiny manokana.

Noforonina ny vohikala vaovao ‘’Lohataona Thai’’ mba hanangonana ny feon’ireo mpanohitra an’i Yingluck taorian’ny hatezerana nateraky ny kabariny. Nikasa hanao fanangonan-tsonia hanoherana ny governemanta ity tranonkala avy amin'ny aingam-panahin’ny hetsika mpanohana ny demokrasia amin’ny Lohataona Arabo ity. Efa nahangona sonia maherin’ny 23.000 tamin’ny 21 May 2013 ny fanangonan-tsonia ‘’manohitra ny kabarin’i Oulan Bator’’.

Mbola lavitra ny fiafaran’ny tantara raha vao mainka miroborobo ireo vohikala manohitra an’i Yingluck tao amin’ny sehatry ny Aterineto Thailandey. Nahatonga ny fanehoan-kevitra nandrahona avy amin’i Thaksin izany nandritra ny fivoriana mivantana nifanaovany tamin’ny alàlan’ny Skype ho an’ireo mpanohana ny Lobaka Mena an’arivony, izay nanamarika ny faha-telo taona nahatsiarovana ny famoretana mihoson-drà nataon’ny tafika nandritra ny fihetsiketsehana tamin’ny taona 2010.

‘’Tsy hisy ny fiposahan’ny Lohataona Thailandey’’ hoy i Thaksin.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.