- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tukuni Yadua

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices


Hijery an'i Tukuni Yadua [1] anaty sarintany lehibe kokoa

Nandritra ny efapolo taona farany, nifofotra tamin'ny ezaka nataony hiarovana ny  Igoanà misy sanga [2],  biby tandindonim-paharinganana, ireo mponina ao anatin'ny vondrom-piarahamonina Denimanu ao amin'ilay nosy mitoka-monina Yadua ao Fiji. Ny tsindry avy ety ivelany sy ny fiovaovàn'ny toetrandro no loza mitatao ho an'ireny zavamananaina ireny, mahatonga ny fiarovana azy ireo ho raharaha maika kokoa. Ny fiarovana ny zavaboary sy ny fomba fiainan'ny mponina hatry ny taloha no isan'ny iray tena namaritra ny maha-izy namantarana ilay vondrom-piarahamonina. Na izany aza, noho ny fitokanà-monin'ilay nosy,  tsy voatantara araka ny tokony ho izy ny sasany amin'ireny tantara feno sedra ireny, hatramin'ireo fahombiazan'ny ezaka natao. Ankehitriny dia tian'ireo mponina ny hampita io fikirizany miaro io ho any amin'ireo andian-taranaka vaovao, miaraka amin'ny fanantenana fa mba hanohy ny asa izy ireo. Ny National Trust of Fiji (NTF) [3] dia hiasa miaraka amin'ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana hanofana ireo tanora any am-bohitra hilaza ity tantara ity amin'ny alàlan'ny fampiasàna ny saripika sy ny lahatsary nomerika. Hasongadin'io fanaovana sary nomerika io ny fifangaroana zavamiaina misy ao amin'ilay nosy, sy ny fomba mahatonga ny fifandraisana misy eo amin'ny olombelona sy ny natiora ho singa iray tsy afaka misaraka amin'ny lasan'ilay vondrom-piarahamonina, ny ankehitrininy ary ny hoaviny.

Traditional Fishing Tradition: Denimanu community members during a traditional fishing drive using coconut leaves as their fishing nets. [4]

Fomba fanjono nentindrazana: mpikambana avy amin'ny vondrom-piarahamonina Denimanu nandritra ny firobohana an-drano maka trondro amin'ny fampiasàna ravinà voanio ho solon'ny harato.