- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vaovaon'ny Sisintany ao Karen

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices


Hijery ny Vaovaon'ny Sisintany ao Karen [1] anaty sarintany lehibe kokoa.

Miarina amim-pitandremana fatratra avy amin'ireo taompolo maro nisian'ny ady an-trano ny fanjakàna Karen, taorian'ny fampitsaharana fifampitifirana nifaovan'ny governemanta birmàna sy ny Karen National Union [2] (Firaisam-pirenen'i Karen). Fanampin'ny fanarahamaso ataony amin'ny toedraharahan'ny  zon'olombelona tena manahirana manaraka ny sisintany iraisan'i Birmania sy Thailandy, ireo olontsotra mpampita vaovao ao amin'ny Fanjakana Karen no rohy iray tsy azo ihodivirana ho an'ny vondrom-piarahamonin-dry zareo tsy afaka miditra aterineto mba hahazoana izay fahalalàna fototra ilaina momba ilay fifanarahana vonjimaika ho fampitsaharana fifampitifirana, izay amin'ny maso tsy misy fanantenana no ijeren'ny vondrom-piarahamonina Karen [3] ny voasoratra ao amin'izao fotoana izao.

Ny Vondron'ny Tambajotrana Mpianatra ao Karen [4] no tomponandraikitra amin'ny fandefasana tsy tapaka ireo hany  fandefasana vaovao an'onjampeo amin'ny fiteny Karen (alefa aminà onjampeo  FM tsy dia mahalasa lavitra any amin'ireo toby 5 fandraisana mpitsoaponenana ao amin'ny sisintany iraisan'ny  Thai-Burma ). Ny fandaharan'ny onjampeo KSNG isankerinandro dia ahitana vaovao, fanabeazana, torohay ary fialamboly, ho an'ireo mpialokaloka misy eo amin'ny 30.000 raha kely indrindra mihaino azy any amin'ireny toby ireny. Ankoatry ny famokarana fandaharana an'onjampeo isankerinadro, manampy koa ny KSNG amin'ny fikarohana fahafahana mahazo fanabeazana ho an'ireo mpianatra, mamokatra fandaharana tena ilaina momba ny fahasalamana sy ny tantara hafa mampientanentana, ary mikarakara fanofanana momba ny fahaizamitarika sy ny fitantanana.

Ho hitarin'io tetikasa io ity tolotra fanolorana vaovao ity, amin'ny fanofanana olontsotra ho mpanao gazety hampiasa ny rakipeo azo henoina na  aiza na aiza (podcasts) mba hampifandraisana ny feon'ireo olona nafindra toerana ao anatin'ny fireneny ihany ka miteny ny fiteny Karen amin'ny vondrom-piarahamonina Karen miaina toy ny mpialokaloka any Thailandy, hatramin'ireo zanaka am-pielezana Karen mpialokaloka napetraka ao Kanadà, Aostralia, Etazonia ary ny Firenena Mitambatra (UK). Amin'ny fanaovana ireo torohay ho azo raisina mikasika ireny lohahevitra ireny, na ny eo an-toerana, na ny any anaty aterineto, dia antenain'ilay tetikasa ny hitazonana ny vondrom-piarahamonina Karen, izay haingana be dia voapetraka any amin'ireo firenena vahiny, tsy ho tapaka fifandraisana amin'ny kolontsaina sy ny firenena niaviany ara-tantara. .

Torohay: