- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fomba fijery avy any an-tandrok'i Afrika

Sokajy: Afrika Mainty, Djibouti, Eritrea, Etiopia, Somalia, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2006)

Feno  fifanakalozan-kevitra mipaka amin'ny sehatry ny kolontsaina sy ny politika ny tontolon'ny bilaogy ao an-Tandrok'i Afrika sy Sodàna. Zavatra iraisana, izay toa nipoitra teo amin'ireo bilaogera Etiopiana ny tsy fisian'ny fangorahana ho an'ny governemantan'ny fitondran'ny Praiminisitra Meles Zenawi. Ethiopian Paradox, bilaogy mampisaintsaina sy marani-tsaina, manolotra lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe: “Nolalaovina ny ara-poko [1]” izay niampangany ny governemantan'i Meles ho milalao ny lalao ara-poko ho an'ny tombontsoa ara-politika:

“In Ethiopia, the world is witnessing ethnicity gone awry. The division of Ethiopia into ethnic administrative regions was mandated by the TPLF [Tigrayan People's Liberation Front, a part of the ruling party in Ethiopia] government and written into a new constitution approved by faux elections. The idea of ethnic federalism did not originate from the people nor did they approve of it in free and fair elections…ethnic federalism must be viewed as an artificial system imposed from above.”

“Any Etiopia, manatri-maso ny filalaovana ny foko izao tontolo izao. Napetraky ny governemanta TPLF [Mandam-panafahana ny Vahoaka Tigrayan, ampahany amin'ny antokon'ny fitondrana ao Etiopia] ny fizarazaran'i Etiopia ho fari-pitantanana ara-poko ary voasoratra ao anaty lalàm-panorenana vaovao nankatoavin'ny fifidianana feno hosoka. Ny hevitra momba ny federalisma ara-poko dia tsy avy amin'ny vahoaka no sady tsy nankatoavin'izy ireo tamin'ny fifidianana malalaka sy marina … tokony ho raisina ho toy ny rafitra artifisialy napetraka an-katerena avy any ambony ny federalisma ara-poko.”

Toa mifanaraka tanteraka amin'ny fomba fijerin'ny Ethiopian Paradox momba ny foko ny bilaogy ethiopundit. Ao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe: Amin'ny anaran'iza [2] ?, ethiopundit milaza hoe:

“…ethiopundit is not denying the importance of ethnicity. It is a profound and necessarily respected aspect of every person. However, that aspect of identity is more often than not manipulated for selfish ends with the classic aim of divide and rule… Ethnic politics does serve the interests of a very few whose security in power trumps all other considerations.”

“…tsy mandà ny maha-zava-dehibe ny foko i ethiopundit. Fanehoana fanajana lalina sy ilaina amin'ny olona tsirairay izany. Na izany aza, matetika kokoa ity endriky ny maha-izy azy ity no atao fitaovana ho an'ny tanjona fitiavan-tena mba hampizarazara sy hanjakana … Manompo ny tombontsoan'ny olom-bitsy ny politika ara-poko izay ny fiarovana ny fahefana no lehibe indrindra amin'ny zavatra hafa rehetra. “

Meskel Square, bilaogin'ny mpanao gazety iray izay nandeha namakivaky an'i Etiopia, manome lohahevitra mahavariana izay mahakasika ny fiainana andavanandro ao amin'ny firenena. Ohatra, resahany ireo zazalahy etiopiana voasariky ny baolina kitra Anglisy Premiership [3] (eny, na ireo izay mipetraka any Etiopia lavitra aza). Miresaka momba an'i Etiopia lasa toeram-pizahan-tany vaovao [4] ihany koa i Meskel Square. Raha ny heviny, toerana tena tsara tsidihana miaraka amin'ireo “lapan'ny Gondar sy ny fiangonana ambanin'ny tany” i Etiopia.

Inside Somaliland, manolotra sary tena tsara tarehy ahitana ny faritra maina sy milamina any Somaliland (Firenena tsy ankatoavina i Somaliland. Heverin'izao tontolo izao fa anisan'i Somalia izy). Ao amin'ny lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “Mitady Fandriampahalemana” [5], mitantara ny filaminana hita amin'ny tazamaso, sy ankizivavy mpifindrafindra monina antsoina hoe Hilda ny mpanoratra. Momba an'i Hilda, manoratra ny mpanoratra hoe:

“Deep inside, I wished I could be like her even for a moment. No hassles, no pressure, no demands of the hectic busy life in the city where everything is measured and judged by how you talk, you do and wear. Where life is controlled by the latest technology. Where life is sometimes superficial and mundane, sometimes not. There are times, when my soul wishes to be still. Moments when I long to reach deep inside to know my truth and find peace.”

“Tao anatiko tao, naniry aho mba ho tahaka azy na dia fotoana fohy monja aza. Tsy misy ahiahy, tsy misy faneriterena, tsy misy fitakian'ny fiainana feno fahasahiranana ao an-tanàna izay refesina sy tsaraina amin'ny fomba fiteninao, ny fiasanao sy izay fitafianao ny zava-drehetra. Izay ifehezan'ny teknolojia farany indrindra ny fiainana. Raha ivelany sy baranahina ny fiainana indraindray, ary indraindray tsia. Misy ny fotoana rehefa maniry ny mbola ho ao ny fanahiko. Fotoana rehefa miditra lalina ato anatiko aho mba hahafantatra ny fahamarinako ary hahita fiadanana. “

Djibouti dia firenena Afrikana kely mihantona eo anelanelan'i Eritrea, Etiopia, Somalia ary ny Ranomasina Mena. Manana mponina latsaky ny atsasaky ny iray tapitrisa, toa tsy voalaza ao anatin'ny tontolon'ny blaogy ity firenena miteny frantsay sy arabo ity. Na dia izany aza, vao haingana i Djibouti no nanapa-kevitra ny hitondra an'i Frantsa eny amin'ny Fitsarana Iraisam-pirenena noho ny fanitsakitsahany ny fifanarahana hanome fanampiana ho an'i Djibouti amin'ny raharaha fanadihadiana heloka bevava.

Tampoka teo, nanenika ny onjan'ny tontolon'ny bilaogy ity firenena Afrikana bonsai ity. Tonga ihany i Djibouti! Nanontany izao fanontaniana manaraka izao tamin'ny mpamaky azy ny bilaogy, Opinio Juris [6], namoaka momba ny raharaha Djibouti-Frantsa:

“I know many of our readers are savvy well-educated, well-travelled internationalists. But how many of you really know where Djibouti is? How many of you knew it is located in between Somalia and Eritrea and the location of the main U.S. military base in that region?”

“Fantatro fa maro amin'ireo mpamakiko no avara-pianarana, mpitety firenena. Saingy firy aminareo no tena mahafantatra hoe aiza no misy an'i Djibouti? Firy aminareo no mahafantatra fa eo anelanelan'i Somalia sy Eritrea ary ny toerana tena misy ny toby miaramila Amerikana ao amin'io faritra io no misy azy? “

Nanome lohateny ny lahatsorany hoe: “Miala any, miala any Djibouti [7]” sy ny sombiny amin'ny andalana manaraka ny bilaogy Punks Page:

“this small, seemingly insignificant east African country is taking FRANCE to court! ahhh… i love africa!”

“Mitondra an'i FRANTSA any amin'ny fitsarana ity firenena afrikana atsinanana kely tsy dia misy dikany ity! ahhh … tiako afrika! “

Miseho amin'ny teny Frantsay ireo famantarana maro hafa an'i Djibouti ao amin'ny tontolon'ny blaogy.