- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Alemaina: Trangana fanakanana kaonty Twitter voalohany tao an-toerana

Sokajy: Alemaina, Hafanam-po, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Febroary 2013)

Tamin'ny volana Febroary 2012, nampiditra politika ahafahana manakana [1] ny sioka sy ny kaonty manokana arakaraka ny firenena tsirairay ny Twitter. Raha misy governemanta mametraka ny baiko avy amin'ny fitsarana any amin'ny Twitter, mangataka ny sioka iray na ny kaonty iray mba ho sakanana, dia hanaiky izany ny Twitter. Saingy any amin'ny firenena izay voakasik'izany ihany no hiseho ny fanakanana- amin'ireo mpisera manerana ny sisa amin'izao tontolo izao izay tsy ho voasakana tahaka izany ihany koa ilay votoaty voakasik'izany.

Screenshot of @hannoverticker page

Pikantsarin'ny @hannoverticker page

Tamin'ny volana Ôktôbra 2012,  voalohany no nampihatra ity politikan-dalàna ity ny Twitter tamin'ny fanakanana ny sioka [2] avy amin'ny kaontin'ny vondrona elatra farany havanana Alemana, Besseres Hannover (@hannoverticker) [3] . Nandrara tamin'ny fomba ofisialy ary naka ny fitaovan'ny vondrona ny governemanta alemà, ​​ary voampanga [4] tamin'ny fandrisihana ny fankahalana ara-poko sy tamin'ny fananganana ny fikambanan-jiolahy ny sasany tamin'ireo mpikambana ao aminy. Ahiahiana ho nandefa hafatra fandrahonana an-dahatsary ho an'i Aygul Ozkan, izay mpanao politika mpandala ny nentin-drazana teratany Tiorka teraka tany Alemàna ihany koa ny vondrona .

Nanambara ny vondrona fa hiady [5] amin'ny fanakanana any amin'ny fitsarana izy ireo, fa raha ny zava-mitranga anefa dia mifanaraka amin'ny lalàna Alemana ao an-toerana ny hetsika fanakanana ny siokan'ny vondrona avy amin'ny Twitter- izay tsy maintsy nankatoavin'ny Twitter mba hahafahany miasa ao amin'ny firenena.

Nanambara ilay olana tao amin'ny Twitter ny lehiben'ny mpanolotsaina ao amin'ny Twitter, Alex MacGillivray, ary nanome rohy mankany amin'ny dika mitovy tamin'ilay fangatahana [6] avy amin'ny polisy Alemana amin'ny fanakanana ny kaonty @hannoverticker ao an-toerana. Araka ny fanambaràna [7] nataon'ny Twitter teo aloha momba ny fampiasany ny teknolojia sy ny tsy faharisihany [8] amin'ny fanakanana ny votoaty dia tsy nofafana ny kaontin'ny Besseres Hannover tao amin'ny Twitter – fa tsy afaka nidirana fotsiny izany tany Alemaina .

Maneho ohatra iray amin'ny fomba hampiasain'ny Twitter ilay politika vaovao ity tranga ity, indrindra fa eo anatrehan'ny tsikera [9] iraisampirenena, izay natrehan'ny Twitter raha vao nanambara izany fanovana izany izy. Manana tombony amin'ny fiantohana amin'ny tsy famafana tanteraka ireo sioka ny fandraràna afa-tsy any amin'ny “firenena tokana ihany”.

Tsy miresaka ny olana rehetra momba ity politika fanaovan-dalàna ity anefa ity tranga tokana ity. Inoana fa hampiasa ny tambajotra virtoaly manokana [10] (VPN)  ireo Alemà maniry ny hiala amin'ilay fandraràna – teknika izay mahazatra ampiasaina ao amin'ny firenena toa an'i Shina. Mandritra izany fotoana izany, raha misy sioka mitsikera ny mpanohitra – toy ny nitranga nandritra ny Lohataona Arabo – dia tsy hahita izany ireo vahoaka ao an-toerana na dia tokony ho hita iraisam-pirenena aza ilay sioka. Na dia fantatra aza fa miaro kokoa ny zon'ny olona ny politikan'ny Twitter raha oharina amin'ilay manakana tanteraka ireo sioka (fomba iray hafa izay mety hitarika kokoa ho any amin'ny sivana any amin'ny firenena voafaritra manokana) dia mbola mametra ny fitenenana manan-danja ho an'ny tombontsoa ao an-toerana sy manerana ny firenena na ho an'ireo hetsika izany fiarovana ny zo izany.

Lahatsoratra nasiam-panovana nivoaka voalohany tao amin'ny bilaogy fikarohana any Oxford Free Speech Debate.  [1]ity lahatsoratra ity.