- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogera Kiswahili: Atao inona fifidianana raha efa fantatra ela mialoha sahady izay ho lany? sy vaovao hafa…

Sokajy: Afrika Mainty, Tanzania, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny 27 Oktobra 2005)

Manohy manoratra momba ny fifidianana filoham-pirenena sy parlemantera amin'ny faran'ny volana ireo bilaogera Tanzaniana amin'ny fiteny Kiswahili. Mwandani [1]nahita taratasy misokatra misy toro-hevitra nalefa any amin'ny “filoha manaraka”, [2] Jakaya Kikwete.

Na dia mbola tsy nandatsa-bato hifidy filoham-pirenena vaovao aza ireo Tanzaniana, dia ny fandresen'ny antoko eo amin'ny fitondrana no vinavina mialoha. Tsy takatr'i Miruko ny dikan'ny fifidianana [3] raha fantatra ela mialoha fifidianana ny vokatra. Mifidy ny filoham-pireneny sy ny parlemantera isaky ny dimy taona i Tanzania .

Kazonta  [4]mihevitra fa hanihany ny ataon'ny Birao Misoroka amin'ny Kolikoly [5] (PCB amin'ny teny Anglisy) manatontosa seminera hiadiana amin'ny fanao kolikoly amin'ny fampielezan-kevi-pifidianana andro vitsy mialoha ny fifidianana. Tsy fantany hoe nahoana ny PCB no niandry ela vao nanao izany.

Satria nanjary iray amin'ireo olana ara-tsosialy lehibe indrindra atrehan'ny tanora ao Tanzania ny tsy fisian'ny asa, dia mitatitra momba ny fikambanana iray mampiasa tranonkala amin'ny fiteny roa [6] (Kiswahili sy Anglisy) i Gaphiz [7] mba hamahana ity olana ity.

Funguajicho, [8] mpianatra Tanzaniana any Oganda, miresaka ny politika Ogandey, indrindra fa ny fiverenan'ny kandidan'ny mpanohitra malaza, [9] Dr.Kiiza Besigye, avy any an-tsesitany any Afrika Atsimo

Harakati [10] mamoaka lahatsoratra lava momba ny loza aterak'ireo mpanakanto Tanzaniana ” “Bongo Flava [11]” miala amin'ny famantarana ara-kolotsaina azy amin'ny alàlan'ny fakana tahaka ny zava-drehetra avy any Amerika. “Raha mihira sy mitafy tahaka ny 50 Cent ianao, nahoana aho no tokony hihaino anao fa tsy 50 Cent ?,” hoy izy.

Ngurumo manontany [12] izay tompon'ny sainam-pirenena Tanzaniana [13] rehefa te-hanasazy ny Chama cha Demokrasia na Maendeleo [14](antokon'ny demaokrasia sy ny fampandrosoana) noho ny fampiasana ny lokon'ny sainam-pirenena tamin'ny fampielezan-keviny [15] ny Vaomieram-Pirenena Misahana ny Fifidianana [16] ao Tanzania.

Issa Michuzi namoaka ny sary trano avo be kambana roa ao Dar Es Salaam [17] sy ny sariny mandihy [18] miaraka amin'ireo Maasai [19]ao Arusha [20], Tanzania.