Tantara tamin'ny 06 Jona 2019
Manolotra topimaso vaovao momba an'i Iran ireo mpamokatra sarimihetsika an-tserasera
Na dia teo aza ny sakana tsy nampoizina dia nanokatra tranonkala mahavariana ny Iran Inside Out ary namoaka horonantsary roa nataon'ireo mpanatontosa horonantsary Iraniana mampiseho ny sehatra niavian'ny mozika metaly mavesatra ao Tehran sy misaintsaina momba ny hoavin'ny fandriampahalemana ho an'ny taranaka tanora indrindra ao amin'ny firenena.
Drop-In Center: Fanovana bitika, Fandresena lehibe
Mamintina ny zava-bita goavan'ny fikambanany amin'ny fiarovana ny zon'ireo marary tsaboana amin'ny fanoloana opioma (opiacé) i Pavel Kutsev, filohan'ny fikambanana tsy mitady tombontsoa ara-bola, Drop-In Center. Mampiasa ny toerana maha-mpitarika azy sy ny bilaoginy i Pavel mba hiarovana ireo zavatra manokana tena ilain'ny olona toa azy.
Rising Voices tao amin'ny Global Voices Citizen Media Summit 2010 tao Santiago, Shily (Ampahany 1)
Tany ampiandohan'ny volana May 2010 no natao ny Global Voices Citizen Media Summit 2010 (Vovonamben'ireo Olontsotra Mpampita Vaovao ao amin'ny Global Voices) tao amin'ny Tranombokim-panjakana ao Santiago ao an-drenivohitr'i Shily. Maherin'ny 200 ireo olona avy aminà firenena 60 tonga nanatrika ilay vovonana, izay voarakotra tsara tokoa teny anaty fampahalalambaovao. Tetikasa efatra avy amin'ny Rising Voices no nampahafantarina nandritra ny andro roa tao amin'ilay vovonana.
Miblaogy hatramin'ny fahazazàny
Nahasarika be ny sain'ireo mpampita vaovao erantany ny tetikasa One Laptop per Child (OLPC) noforonin'ireo mpikambana avy ao amin'ny fikambanan'ny mpampianatry ny MIT Media Lab noho izy ity miezaka ny hanatratra ny tanjona hoe hampitao solosaina finday ny ankizy tsirairay erantany