hijery sarintany lehibe kokoa [1]
Fampidirana
Nanangana klioba mpanoratra bilaogy ho an'ireo mpampiasa ny tolotry ny sampandraharaha misahana ny fahasalaman'ny saina ny Orizonturi Foundation ao amin'ny Campulung Moldovenesc [2], Romania, klioba natao hanofana azy ireo amin'ny fitantanana bilaogy, fampakarana lahatsary ho anaty tranonkala fifampizaràna ety anaty aterineto, ary ny fampiasàna ny tambajotra sosialy. Ny traikefa teknika vaovao azon'izy ireo dia hahafahan'ireo mpandray anjara mizara ny tantarany manokana sy mampitombo ny fahafantarana azy manokana ety anaty aterineto.
Torohay:
- Tranonkala (teny anglisy): Orizonturi Foundation [3]
- Bilaogin'ny tetikasa: Blog the Dream Project Blog [4] RSS [5]
- Sary: Photo Gallery [6]