raha hijery sarintany lehibe kokoa.
Fampidirana:
Ao Brazzaville, Kongo, ny fikambanana fampandrosoana AZUR, tafiditra ao anatin'ny hetsika ataony AIDS Network Africa , dia manofana ireo tomponandraikitry ny serasera amin'ireo fikambanana ao an-toerana miady amin'ny SIDA mba hahay mampiasa ny fitantarana amin'ny endrika nomerika, ny rakipeo afaka henoina na aiza na aiza (podcasting), ary ny famoronana bilaogy hanangonana antontan-kevitra momba ireo fitsaratsaram-poana sy fanavakavahana an'ireo olona tratry ny valanaretina SIDA sy VIH ao Kongo, mba hahafahany mampiasa azy ireny ho toy ny fitaovana hisoloana vava, hanabeazana, ary hampahafantarana ny zon'ireo olona tratry ny otrikaretina VIH. Ny tomponandraikitra tsirairay no mamaritra ny fomba fiantraikan'ny valanaretina SIDA amin'izao fotoana izao amin'ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana, izay faritra iasany sy ny endriky ny fiainana andavanandron'ireo olona miaina miaraka amin'ny otrikaretina VIH sy SIDA.
Torohay:
- Tranonkala (teny frantsay): Réseau sida Afrique
- Bilaogy (teny anglisy): AIDS Rights Congo RSS
- Bilaogy (teny frantsay): Réseau sida Afrique Blog RSS
- Bilaogin'ny tetikasa: Rising Voices Brazzaville RSS
- Sary: Flickr RSS