- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ireo vehivavin'i Minya isanandro

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices


hijery ny Women of Minya Day by Day [1] anaty sarintany lehibe kokoa

Fampidirana:

Miatrika fahasahiranana sy sakana maroibe ireo vehivavy miasa toy ny mpanao saraka an-tsaha na asa amin'ny sehatra tsy anatin'ny ara-dalàna ao anatin'ny Governoràn'i Minya [2] any Egipta Ambony. Iray amin'izany, ireny vehivavy ireny, izay miasa any amin'ny sehatry ny fambolena, asa an-trano, na asa ampiasàna ny tànana, dia matetika no tsy misitraka ireo tombontsoa sy fiarovana araka ny lalàna azon'ireo mpiasa any amin'ny asa voafehin'ny lalàna. Matetika izy ireo no ivon'ny fifandirana amin'ny resaka karama, fanavakavahana ary miaina fahantrana lalina.

Misy ireo ONG miasa ao Minya, manome fampianarana mamaky teny sy manoratra, fanofanana momba ny asa, ary manoro hevitra ho an'io vondrom-behivavy io. Ny New Woman Foundation [3] dia mikendry ny hampiditra ny fanofanana momba ny median'olontsotra ho ao anatin'ireo tolotra omena ny vehivavy, mba ho làlana iray hanairana ny fahatongavantsaina momba ny sata misy azy ireny sy mba ho dingana voalohany mankany amin'ny fampitomboana ny fisoloana vava ireny vehivavy ireny sy ireo an'arivony maro tahaka azy ireo

Nevin Ebeid, izay niasa mafy niaraka tamin'ity andiany avy eny ambanivohitra ity sy nitarika fikarohana akademika  momba ny toepiainan-dry zareo, dia hitarika andiana atrikasa, ka amin'izany izy no hampiseho andiany iray amin'ireny vehivavy ireny, izay hilaza ny tantaran-dry zareo amin'ny fampiasana ireo fitaovan'ny median'olontsotra. Fanampin'ireny atrikasa ireny, hisy velajkevitra iray hatao ho an'ilay vondrom-piarahamonina, ka amin'izany ireo vehivavy no ho afaka haneho ny asan-dry zareo sy hanambara amin'ny hafa ny fiainany amin'ny maha-mpanao saraka an-tsaha sy mpiasa amin'ny sehatra tsy anatin'ny ara-dalàna an-dry zareo.

Torohay: