- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rising Voices tao amin'ny Global Voices Citizen Media Summit 2010 tao Santiago, Shily (Ampahany 1)

Sokajy: Hiper-barrio, Mediam-bahoaka, nomad green, OLPC Orogoay, Rising Voices

Tany ampiandohan'ny volana May 2010 no natao ny Global Voices Citizen Media Summit 2010 [1] (Vovonamben'ireo Olontsotra Mpampita Vaovao ao amn'ny Global Voices) tao amin'ny Tranombokim-panjakana ao Santiago [2] ao an-drenivohitr'i Shily. Maherin'ny 200 ireo olona avy aminà firenena 60 tonga nanatrika ilay vovonana, izay voarakotra tsara tokoa [3] teny anaty fampahalalambaovao. Tetikasa efatra avy amin'ny Rising Voices [4] no nampahafantarina nandritra ny andro roa tao amin'ilay vovonana.

Nat Bayjay presenting presenting Ceasefire Liberia at the GV Summit. Image by Kowshik Ahmed, CC BY [5]

Nat Bayjay mapahafantatra ny  Ceasefire Liberia tao amin'ny vovonana GV . Sary an'i Kowshik Ahmed, CC BY

Tamin'ny andro voalohan'ny vovonana (6 May 2010) Nat Nyuan Bayjay [6], mpitantana ny tetikasa Ceasefire Liberia [7] no nanintona ny sain'ny mpanatrika tamin'ny alalàn'ny fanolorany feno fahavitrihana. Ceasefire Liberia, tetikasa multimedia iray, dia mamoaka tatitra fampahalalambaovaon'olontsotra avy eny ifotony mba tsy haha-tompontrano mihono ireo Liberiàna am-pielezana. Ito ny lahatsary iray [8] tamin'ny fanolorany izay nakarin'i Jakub Gornicki [9] ho ao amin'ny  YouTube :

Azonao atao ny mamaky famintinana fohy tamin'ilay fanolorany ato [10].

Otgonsuren Jargal presenting Nomad Green. Image by Krzysztof Pawliszak/GV. CC BY [11]

Otgonsuren Jargal mampahafantatra ny Nomad Green. Sary an'i  Krzysztof Pawliszak/GV. CC BY

Taoriana kely tamin'io andro io, i Otgonsuren Jargal nampahafantatra ny Nomad Green [12] ho an'ireo mpanatrika izay tsy dia nahafantatra loatra momba an'i Mongolia. Nomad Green dia manofana ireo Mongoliàna olontsotra mpanao gazety hahay ny fomba fampiasàna ireo fitaovana media sosialy mba hitaterana amin'ny fiteny maro ireo vaovao momba ny tontolo iainana. Ito ny famintinana fohy ny fanolorana nataony [13] .

Pablo Flores presenting Blogueando desde la Infancia (Blogging since infancy) project. Image by Adri021. CC BY [14]

Pablo Flores mampahafantatra ny tetikasa  Blogueando desde la Infancia (Miblaogy hatramin'ny fahazazàny) . Sary an'i Adri021. CC BY

Tamin'ny andro faharoan'ny vovonana (7 May 2010) Pablo Flores [15] avy any Orogoay no nampahafantatra ny tetikasa Blogging Since Infancy [16] (Mibloagy hatramin'ny fahazazàny). Mba handrisihana ireo ankizy nahazo solosaina finday handray an-tànana ireo fitaovan'ny media sosialy, toy ny fanoratana bilaogy, nikarakara andiana atrikasa ny Pablo Flores avy amin'ny Ceibal [17], ilay masoivohom-panjakana misahana ny fitsinjarana ireo solosaina finday OLPC ao Orogoay, sy fifaninanana manoratra bilaogy . Ito ny famintinana fohy [18] ny fanolorany.

Yessenia Corrales presenting Hiperbarrio. Image by Adri012. CC BY [19]

Yesenia Corrales mampahafantatra ny Hiperbarrio. Sary an'i Adri012. CC BY

Yesenia Corrales [20] nampahafantatra ho an'ireo mpanatrika ny atao hoe HiperBarrio [21], vondrona fanentanan'ireo bilaogera kolombiàna. Mba tsy hidirana amin'ny herisetra, ireto bilaogera ireto dia mamoaka tantaran'ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo sy mandrafitra sarintany ifandrimbonana. Ito ny famintinana fohy [22] an'ilay fampahafantarana.

“Raha mbola afaka maneho hevitra ianao, olombelona afaka sy malalaka isika izay.”

Ito ny fanambatambarana [23] ireo lahatsary avy tao amin'ilay vovonana, nataon'ny Biblioteca del Congreso Nacional de Chile [24]:

Ao anatin'ny lahatsarinay manaraka no ho avoakanay ny fanehoankevitra avy amin'ny sasany amin'ireo mpikambana ao anatin'ny tetikasa Rising Voices tonga nandray anjara tamin'ilay vovonana