Miblaogy hatramin'ny fahazazàny


Hijery sarintany midadasika kokoa

Fampidirana:

Nahasarika be ny sain'ireo mpampita vaovao erantany  ny tetikasa One Laptop per Child (OLPC) noforonin'ireo mpikambana avy ao amin'ny fikambanan'ny mpampianatry ny  MIT Media Lab noho izy ity miezaka ny hanatratra ny tanjona hoe hampitao solosaina finday ny ankizy tsirairay erantany. Saingy, amin'ny ankapobeny, mbola andrasantsika aloha ny hahita ny fomba ataon'ireo tanora mpianatra ao Orogoay, Pero, Nizeria, sy ny any lavitra hafa any mampiasa ireo solosaina finday kely tsy mampiasa neon-maitso.  Hikarakara andiana atrikasa ny Pablo Flores avy amin'ny Ceibal, ilay masoivohom-panjakana misahana ny fitsinjarana ireo solosaina finday OLPC ao Orogoay, atrikasa hamondronana ireo bilaogera ao amin'ny firenena sy avy amin'izao tontolo izao miaraka amin'ireo tanora mpianatra hampiasa ireo solosaina finday mba hampisehoana amin'izy ireo ny fomba fanokafana bilaogy sy fakàna tombony amin'ireo fitaovana media sosilay hafa. Aoriana kely, hisy ny lanonana fizarana fankasitrahana hanomezana vatsy ho an'ireo bilaogra vaovao hizaràn-dry zareo ny tantaran'ny vondrom-piarahamonina misy azy, ho an'ny eo an-toerana sy izao tontolo izao.

Torohay:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.