Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Drop-In Center: Fanovana bitika, Fandresena lehibe

Harm Reduction Awarness Press-Conference, Kyiv (Pavel Kutsev is second from the right)

Valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety momba ny fanentanana fampihenana voka-dratsy, Kiev (Pavel Kutsev eo amin'ny faharoa avy eo ankavanana). 

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2009)

Mamintina ny zava-bita goavan'ny fikambanany amin'ny fiarovana ny zon'ireo marary tsaboana amin'ny fanoloana opioma (opiacé) i Pavel Kutsev, filohan'ny fikambanana tsy mitady tombontsoa ara-bola, Drop-In Center. Mampiasa ny toerana maha-mpitarika azy sy ny bilaoginy i Pavel mba hiarovana ireo zavatra manokana tena ilain'ny olona toa azy, izay mpidoroka zava-mahadomelina teo aloha ary nampiasa io fitsaboana amin'ny fanoloana zava-mahadomelina io.

Ity no nolazain'i Pavel momba ny ezaka nataon'ny fikambanana vao haingana:

Slowly, step by step, we were able to achieve three victories.

  1. No more obligatory participation in religious group therapy, which used to be mandatory to stay in a substitution therapy program.
  2. No more grinding of pills – only if a patient asks for this.
  3. The chief doctor [of the methadone site] promised to provide a room of 5 square meters, which will serve as a day care center for replacement therapy patients.

One might say that these accomplishments are very small, but I would argue against this. The methadone program in Kiev has existed for only one year, but I already know four patients who have died since it has started.

Karman died because of gullet bleeding,  caused by methadone pills which should have been taken as a whole piece but been ground into powder by medical personel.

The other guy died right on the site. He ran away from a hospital the morning after he had surgery to receive methadone pills at the site.

Tamin'ny dingana mandeha isan'ambaratonga, nahavita fandresena telo izahay

  1. Tsy mila fandraisana anjara ankaterena ataon'ny fitsaboan'ny vondrona ara-pivavahana intsony, izay tsy maintsy atao mba hitoerana amin'ny programan-tsolom-pitsaboana.
  2. Tsy mihinana pilina intsony – raha tsy hoe mangataka izany ny marary.
  3. Nanome toky ny lehiben'ny dokotera [toerana mpanome methadone] fa hametraka efitrano 5 metatra toradroa, izay ho toeram-pitsaboana isan'andro ho an'ny marary mitady solom-pitsaboana.
    Mety hiteny ny olona fa kely dia kely tokoa ireo zava-bita ireo, saingy te-hanohitra izany aho. Ny programa methadone ao Kiev dia efa nisy herintaona monja, saingy fantatro fa marary efatra no maty hatramin'ny nanombohany.

Nodimandry i Karman noho ny lalan-kaniny nandeha rà, vokatry ny pilina methadone izay tokony nohanina manontolo saingy nalonan'ny mpiasan'ny fahasalamana mba ho lasa vovoka.

Namoy ny ainy tao amin'ilay toerana ny lehilahy iray hafa. Nandositra niala ny hopitaly izy ny ampitso maraina taorian'ny nandidiana azy mba handraisana pilina metadone tao amin'ilay toerana.

Ny olana lehibe indrindra, araka ny voalazan'i Pavel, dia ny fitsipika iray fa tsy maintsy manatona toerana fanomezana methadone aloha ireo marary mankao amin'ny solom-ppitsaboana mba hahazoana fanafody. Satria tsy afaka mahazo methadone any amin'ny toeram-pitsaboana hafa afa-tsy ny toerana fanomezana methadone ihany ireo marary, dia miteraka fanamby ho an'ireo marary izay mahazo fitsaboana mitaky fijanonana any amin'ny hopitaly izany. Izao no navoakan'i Pavel momba io olana io:

It really hurts. We understand that this is our fault and we have made this choice ourselves… But why are they so cruel with us now that we have become substitution therapy patients? I wonder why nobody even tries to solve this problem. You just need an agreement with a hospital where replacement therapy patients can get medical examinations and treatments, as well as replacement medications. Patients cannot solve this issue by themselves. They need support from medical personnel, who for some reason seem to be indifferent to our needs.

Tena maharary izany. Takatray fa fahadisoanay izany ary nataonay manokana izao safidy izao … Saingy maninona izy ireo no mampijaly anay ankehitriny rehefa lasa karakaraina amin'ny solom-pitsaboana hafa izahay? Manontany tena aho hoe maninona no tsy mba misy olona miezaka mamaha io olana io. Mila fifanarahana amin'ny hopitaly fotsiny ianao izay ahafahan'ny marary mitady solom-pitsaboana hahazo fizahana sy fikarakarana, ary fanafody solon-javamahadomelina. Tsy afaka mamaha io olana io irery ny marary. Mila ny fanohanana avy amin'ny mpiasan'ny fahasalamana izy ireo, izay toa tsy miraharaha ny zavatra ilainay noho ny antony tsy fantatra.

Tamin'ny tapaky ny volana aogositra i Pavel no nanolotra tatitra fandaharanasa ho an'ny Rising Voices, izay nanolotra vatsy ara-bola kely ho an'ny Ivotoerana Drop-In Center. Tao anatin'ny tatitra, nanasongadina ny zava-bitan'ny fikambanana i Pavel.

Mifandraika amin'ny karazana rongony izay ampiasaina amin'ny programan-tsolo-pitsaboana ny iray amin'ireo zava-bitany ireo. Nandritra ny volana vitsy lasa izay, niady tamin'ny mpiasan'ny fahasalamana Okrainiana tao amin'ny bilaoginy i Pavel mikasika ny fanafody novidian'ny governemanta. Mino izy fa tsy mifanentana amin'ny filàn'ny marary ao amin'ny solom-pitsaboana ilay fanafody satria fohy ny fotoanan'izy ireo hamoahana izany amin'ny vatana. Mahazo mandray ireo fanafody ireo indray mandeha ao anatin'ny 24 ora ihany ny marary, izay midika fa tsy maintsy miverina amin'ny fanaintainan'ny fialàna (amin'ny zava-mahadomelina) mandritra ny ora maro isan'andro izy ireo, satria tsy mijanona ela loatra ao amin'ny vatana ny rongony. Henon'ny manampahefana ny feon'i Pavel, satria nasaina hisolotena ireo marary mba hahazoana ny fanafodin'ny programa Okrainiana misahana ny solom-pitsaboana izy.

Ankoatra izay, araka ny tatitra nataony dia nanamarika i Pavel fa nanampy azy nahazo ny fanajan'ny fiarahamonim-pahasalamam-bahoaka ny bilaogy. Nasaina hanatevin-daharana vondrona manam-pahaizana vitsivitsy miasa amin'ny olana fampihenana ny voka-dratsy izy, ary na ny polisy aza nanasa azy hiresaka momba ilay olana.

Isan-andro ny Drop-In Center no mahazo antso an-telefaonina maro avy amin'ny olona miaina amin'ny fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina. Vonona foana i Pavel sy ny mpikatroka namany hanampy amin'ny toro-hevitra sy manome fanohanana. Heverin'izy ireo fa zava-bita lehibe indrindra ny fitokisan'ireo mpidoroka zava-mahadomelina ny fikambanana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.