- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vondrom-piarahamonina Iraisana

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Lira, Uganda – nanjohy ny Rising Voices tamin'ny 2014

commonuganda1Mitàna toerana lehibe amin'ny fampitàna ireo torohay tena ilaina ao Lira, Ogandà ny onjampeom-piarahamonina. Ny Theatre Technology House [1] dia namorona tantara iray filalao an-tsehatra entina hanabe ireo mpihaino ao an-toerana, arahana fanambaràna ho an'ny daholobe. Ity tetikasa ity dia mitondra singa nomerika iray ho ao anatin'ireo izay efa ananan-dry zareo iarahany miasa amin'ny onjampeo Radio Wa. Io tantara io izay noforonin'ny tarika iray avy amin'ny vondron'ireo mpisehatra dia nifanakalo hevitra momba ireo dingana anatin'ny fifidianana hoavy sy ny fomba hisafidianana izay mpirotsaka tonga lafatra. Efa zaraina amin'ny endrika rakipeo ‘podcast’ ilay tantara ary zaraina manerana ireo tambajotra sosialy izay ahafahan'ireo mpihaino erantany miditra amin'ny fifanakalozankevitra sy miady hevitra.

Araho ao amin'ny tranonkala ry zareo: