Tontolon'ny teny Tsimané

San Borja, Bolivia – nanatevina laharana ny Rising Voices tamin'ny 2014

TismaneMarobe ireo vondrom-piarahamonin'ny indizeny any ambanivohitr'i Tsimané ao amin'ny faritra Beni ao Bolivia no mbola tsy manana fahafahana mampiasa aterineto sy telefaona finday. Na antenaina aza ny mety hanentsenan'ny gevernemanta vaovao ireny lavaka be amin'ny fifandraisana ireny amin'ny fametrahana fifandraisana mampiasa zanabolana, tsy maintsy manao dia lavitra ezaka mamonjy an'i San Borja, tanàna akaiky azy indrindra ireo izay maniry ny hiditra anaty tranonkala. Rehefa tafiditra anaty aterineto ry zareo, zara raha misy, na tsy misy mihitsy, ny votoaty amin'ny fiteny Tsimané, saingy katsahan'ity tetikasa ity ny hiatrika an'io filàna io. Misy andianà tanora, ahitàna mpianatra, mpampianatra ary mpikaroka, izay mazàna no manao io dia lavitra ezaka io ihany koa mba hianatra na hiasa any San Borja, nanangana ny tahirimpahalalàna multimedia iray amondronana ireo rakipeo nomerika ho fandrisihana ny andian-taranaka vaovaon'ireo tanora mpiondana teknolojia hampiasa ny teniny ety anaty aterineto.

Andraman'ity tetikasa ity ihany koa ireo endrika hafa amin'ny median'olontsotra fianarana ny fomba atao hampakarana votoaty feo, lahatsary na lahatsoratra. Ohatra, ireto feo sy lahatsary manasongadina ny kolontsaina ao an-toerana ireto:

Araho ao amin'ny tranonkala ry zareo:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.