- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jalaibi

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Karachi sy Islamabad, Pakistana – nanjohy ny Rising Voices tamin'ny 2014

jbPakistan dia firenena iray matetika aseho amin'ny fomba tsy rariny eny anatin'ireo fampahalalambaovao iraisampirenena mahazatra. Miaraka amin'ny iray amin'ireo fomba fitantarana misy amin'izao fotoana izao mifantoka amin'ireo olan'ny fandriampahalemana sy ny fanaovana an-tendrony (extremism), misy ny hetaheta te-hahazo vaovao hafa azo isafidianana.

Katsahan'ny tetikasa iray antsoina hoe Jalaibi [1] ny hitrandraka sy hampiseho ireo endrika hafan'ny fiarahamonina Pakistaney toy ny zavakanto, ny kolontsaina, ny literatiora, ny sakafo ary ireo tantarana fomba fiaina hafa.

Tamin'ny alàlan'ireo atrikasa natao tao Karachi sy Islamabad, nasain'ny tarika Jalaibi ireo mpandray anjara avy amin'ireo vondrom-piarahamonina tsy dia misy mpiresaka loatra hianatra ny fomba fandraisana anjara amin'ny vaovao, saripika, lahatsary symy bilaogy fampitàna vaovao hanehoana ny “lafy maha-te ho tia” ananan'i  Pakistan.

Araho ao amin'ny tranonkala ry zareo: