Feon'ny Fanantenana

Estancia, Filipina – nanjohy ny Rising Voices tamin'ny 2014

Voices of Hope WorkshopNy Novambra  2013, namely tamin'ny fomba nahatsiravina vondrom-piarahamonina maro nanerana an'i Azia Atsimo-Atsinanana ny Rivomahery Haiyan, niaraka tamin'ny hery izay mbola tsaroan'ny ain'ireo mponina maro mandritra ny andom-piainany. Ireo tanàna tao Filipina, toa an'i Estancia, izay tena voadona mafy tokoa, ary efa volana maro taorian'ilay loza voajanahary, mbola andrasan'ny mponina hatrany ny hahatanteraka ireo fampanantenana marobe tsy efan'ny manampahefana. Entanin'ity tetikasa ity ireo mponina ao an-toerana mba hampitao ny tenan'izyho  toy ireo olontsotra mpampita vaovao hitaterana ny tsy fisian'ny fivoarana amin'ny resaka fanarenana, sy koa hizara ireo fomba fijery voalohany momba ny fizakàn'ny vondrom-piarahamonina.

Ifantohan'ny tetikasa ny fandraisana anjaran'ny tanora avy any amin'ny faritra, ny fanofanana azy ireny hanana traikefa amin'ny asa fanaovana gazetin'olontsotra, fakàna saripika, ary na ny fandraisana anjara amin'ny onjampeo “Pulso sang Banwa” anaty aterineto aza.

Hita anatin'ìireo tantara avokoa ny vaovao momba ny fanetsehana mitranga amin'izao fotoana izao mba hanoherana ny fihisatry ny ezaka fanarenana, ka hatramin'ny vaovao momba ireo rivomahery hafa ho atrehan'ny faritra.

Araho ao amin'ny tranonkala ry zareo:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.