- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ankizivavy mpikatroka ao Kyrgyzstan

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Bishkek, Kyrgyzstan – nanatevina laharana ny Rising Voices tamin'ny 2014

girlactivistskyrMatetika no latsaka tsy hita any anatin'ny boky sy ireo media ao Kyrgyzstan ny zavabitan'ireo vehivavy, ary sarotra be ny hahita ireo torohay momba ny zon'ny vehivavy. Taorian'ny atrikasa iray nampiantranoin'ny Bishkek Feminist Collective SQ, vondrona iray najoron'ireo zatovovavy mpikatroka izay nahita ny fahafahana manampy entin'ny median'olontsotra, sy ny famoronana tambajotra sosialy mba hanoratana indray ny fomba fanehoana ireo ankizivavy ao amin'ny firenena amin'ny alàlan'ny fizaràna ny torohay momba ny fitoviana lenta sy ny zo.

Klioba dimy misy ankizivavy avy ao an-drenivohitra sy avy any amin'ny vohitr'i Chui Oblast no tohanan'ilay tetikasa mba hahafahan'ireo mpandray anjara manomboka maneho ny aminy tsy misy mpisolo tena ka tsy ho ny hafa indray no hilaza izay azo sy tsy azon'ny ankizivavy atao eo amin'ny firenena. Tamin'ny alàlan'ny fanofanana momba ny fitantarana amin'ny fomba nomerika sy ny fampiasàna ny media sosialy amin'ny fomba azo antoka kokoa sy mandrisika kokoa, nomen'ilay tetikasa ny smartphones vitsivitsy mba hifandimbiasan'ireo mpikambana samihafa ao anatin'ireo klioba. Na eo aza ny elanelan-tany ara-joegrafika, mifandrohy amin'ny fomba virtoaly ireo klioban-jazavavy dimy ireo, ary mamoaka sy mizara votoaty izay manainga fanahy sy manabe ireo zatovo hafa mba hianatra misimisy kokoa momba izay mety ho vitan-dry zareo.

Araho ao amin'ny tranonkala ry zareo: