Yadiko Uruk + ireo zanakalahin'i Yadiko

Cabildo Milan, Kolombia – nanjohy ny Rising Voices tamin'ny 2014

Photo by Mauricio Granados

Photo by Mauricio Granados

Tany amin'ny andian-taona 1980 tany dia mpikaroka avy any ivelany no nanatontosa ireo horonampeo sy horonantsary am-polony maro mirakitra ireo tantara fahagolan'ny vondrom-piarahamonina  vazimba teratany Witoto – M+n+ka , hatramin'ny fanangonana antontan-kevitra momba ireo fombafombam-pivavahana masina antsoina hoe Yadiko. Ity votoaty manankarena ity anefa dia mijanona foana tsy tafapaka any amin'ireo vondrom-piarahamonina ao Cabildo Milán ao La Chorrera any amin'ny faritra Amazoniàna Kolombiàna, toerana nanatontosàna ireo  fandraisampeo. Tanora iray mpianatra eny amin'ny anjermanontolo, antsoina hoe Ever Kuiru, izay kambony mbola zaza ary nandao ilay vondrom-piarahamonina, no maniry ny hamindra ireny rakipeo ireny ho amin'ny endrika nomerika ary hanolotra azy ireny ho an'ilay vondrom-piarahamonina miaraka amin'ny fanantenana fa mba hanainga fanahy sy hanofana ny hafa izany mba hamokatra ny rakipeo avy amin'izy ireo manokana. Amin'ny alàlan'ity tetikasa ity, manantena i Ever ny hitazona fifamatorana akaiky amin'ny fototra niaviany amin'ny alàlan'ireo tantaran'ny raibe sy renibeny hitany tao anatin'ireny rakitra ireny.

Mavitrika tokoa i Ever mizara ireny zavabaobao hitany ireny amin'ny fandraketana ireo horonampeo ho lasa nomerika, amin'ny fitànana an-tsoratra sy fandikàna ireo tantara, izany rehetra izany dia miaraka amin'ny fankatoavan'ilay vondrom-piarahamonina. Manampy amin'ny fandraketana feo sy sary any anatin'ilay vondrom-piarahamonina amazoniàna ireo mpikambana hafa ao anatin'ìlay tetikasa. Misy ihany koa ireo tetikasa nokarakaraina niaraka tamin'ireo mponina eny an-toerana mba hahafahan-dry zareo mianatra ny fomba fitahirizana tantara ho anaty feo amin'ny fampiasàna ny fandraisampeo nomerika.

Araho ao amin'ny tranonkala ry zareo:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.