- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Radio Los Inestables

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Córdoba, Argentina – nanjohy ny Rising Voices tamin'ny 2013

inestables1Ao Córdoba, Arzantina, misy andiany iray mpirotsaka an-tsitrapo tonga mamangy ny hopitalim-panjakana fitsaboana marary saina  izay nahalalan-dry zareo misimisy kokoa ny fiainana manokan'ny marary maro. Hitan-dry zareo fa betsaka tamin'ireo fomba fijery tety ivelany ataon'ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana an'ireo izay nampidirina hotsaboina ao no, na diso, na nateraky ny fitsaratsaram-poana. Miainga avy amin'io zavatra niainana io,  nanapaka hevitra ireto mpirotsaka an-tsitrapo sy marary ireto ny hamokatra fandaharana mivantana isankerinandro alefa amin'ny onjampeo, mitondra ny anarana hoe “Radio Los Inestables [1]” alefa avy ao amin'ny tokotany kely ivelan'ilay toeram-pitsaboana ary aparitak'ilay onjampeo ao an-toerana .

Hita ao anatin'ireo andiana votoaty ny lohahevitra hanjena toy ny fitrandrahana ny fifandraisana misy eo amin'ireo marary saina, ny fahantrana sy ny fanavakavahana, ary koa ny endrika somary maivamaivana asongadina amin'ny alàlan'ny tantara anaty onjampeo na famakiana tononkalo. Apetraky ny tetikasa ho amin'ireo marary ny ankamaroan'ny andraikitra amin'ny fitantanana ilay fandaharana anaty onjampeo, amin'ny fametrahana singa iray hitondrana izany ho ety anaty aterineto ka hahafahan-dry zareo mahatratra mpihaino misimisy kokoa, ao amin'ny firenena sy manerana ny tany. Nianaran'ireo mpandray anjara ny mandrakitra, ny mikira, ary ny mampiakatra ireo rakipeo, sy mitantana ireo kaonty anaty media sosialin'ilay fandaharan'ny onjampeo mba hahazoana tamberina tsy tapaka avy amin'ireo mpihaino manerana ny tany.

Ity ny tantara iray noraisim-peo izay novokarin-dry zareo, mitondra ny lohateny hoe  “Midika inona amiko ny Onjampeo?” (amin'ny teny espaniola):

Araho ao amin'ny tranonkala ry zareo: