Fahaizana mamaky Media & Familiviliana ny Fanoherana

Sarajevo, Bosnia sy Herzegovina – nanjohy ny Rising Voices tamin'ny 2014

ProtestsEfa manangasanga any ny vanimpotoana fifidianana ho an'ireo mpifidy ao Bosnia sy  Herzegovina, izay midika fa hanototra ireo mpifidy ato anatin'ny volana efatra ho avy ny  vaovao sy fandalinana momba ireo mpirotsaka hofidiana ary ireo olana goavana eo am-pelatànana. Kanefa, matetika izany no mety hitondra fahasahiranana ho an'ireo mitsingitsingy ao anatin'ny habetsahan'ny vaovao sy ny kalitaony miovaova be. Ny tetikasa tarihan'ny  Post-Conflict Research Center dia manofana ireo tanora Bosniaka haka fijery mahay mitsikera ny anjara toeran'ny fampahalalambaovao ao anatin'ny fiarahamonina, toerana hanaovan-dry zareo fampiharana ny traikefany, toy ny fanamarinam-baovao sy ny fandraisana anjara amin'ny fanoratana bilaogy iraisana, izay handinihan'izy ireo ny fomba fijerin'ireo mpampahalala vaovao erantany ny firenen-dry zareo.

Tamin'ny alàlan'ny atrikasa iray natrehana mivantana natao tao Sarajevo, tonga niaraka ireo tanora avy amin'ny lafy valon'ny firenena mba hianatra momba ny fahaizana mamaky ny media sy hanoratra mikasika ny hoe mahay mitsikera ny media jifain-dry zareo. Nakarina ho ao amin'ny tranonkala Balkan Diskurs ieo lahatsoratra tamin'ny bilaogy, ary tao no nadika ho amin'ny teny anglisy ireo lahatsoratra.

Fantaro ny sasany tamin'ireo mpandray anjara ao anatin'ity lahatsary noforonin'ny PCRC ity:

Araho ao amin'ny tranonkala ry zareo:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.