San Juan la Laguna, Guatemala – nanatevina laharana ny Rising Voices tamin'ny 2014
Tamin'ny nahitanay farany an'i Israel Quic, nasongadin'ny Tantara Folo tsara indrindra tao amin'ny Facebook izy ho fankasitrahana ny asa vitany nampiroborobona ny fiteny Tz'utujil tety anaty aterineto any anatin'ireo vondrom-piarahamonina manodidina ny Farihy Atitlán ao Goatemalà. Amin'ny maha-mpikatroka tsy mitandro hasasarana azy hisian'ny tenindrazany ety anaty aterineto, tsy honohono fa izy mihitsy no nahita ny fihazakazaka haingana dia haingan'ny fanarian'ny andian-taranaka ankehitriny ny fifamatorany amin'ny tenindrazany. Katsahany ny hampitsimbadika izay fironana izay amin'ny alàlan'ny fiarahana amin'ny tranombokin'ny vondrom-piarahamonina Rija'tzuul Na'ooj ao San Juan La Laguna sy ny Akademia Goatemalteky ho an'ny teny Maya, ka any ho hananganan'ny tetikasa ny vondrom-piarahamonin'ny tanora, anatiny sy ivelan'ny aterineto, maniry ny hianatra ny fomba fampiasana ny median'olontsotra sy ireo tambajotra sosialy mba hanomezana aina vao ny fiteny Tz'utujil.
Araho ao amin'ny tranonkala ry zareo:
- Facebook: Maya Tz'utujil
- Twitter: @ablemostzutujil