- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Amazonía Sur: Fanoherana sy Vahaolana nentindrazana

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Sarayaku, Ecuador – nanjohy ny Rising Voices tamin'ny 2014

La-Resistencia1-800x450Sumak Allpa (Ala Velona) dia fotokevitra tsotsotra naroson'ireo vahoaka Kichwa monina ao anatin'ny vondrom-piarahamonina Sarayaku any amin'ny faritany Ekoatoriana ao Pastaza. Ny Sarayaku dia vondrom-piarahamonina iray izay lakana sy fiaramanidina kely no hany afaka hankanesana any aminy; tsy misy arabe migodana miditra sy mivoaka any. Kanefa, noho ny fifandraisana mampiasa zanabolana, ho azon'ireo tanora indizeny ao ampiasaina ireo rindrambaiko maimaimpoana sy ny lahatsary dizitaly mba hizaran-dry zareo ny tantaran-panoherany ny Sumak Allpa ho fiarovana ny zaratanin-dry zareo tsy ho lasan'ny XI Oil Round, izay mikatsaka ny hanome faritra midadasika hitrandrahana solitany ao anatinà ampahan-tany lehibe amin'ny faritra navelan'ny razan'izy ireo ary tanin'ireo fanjakana indizeny fito misy ao anatin'ny faritra Amazonia atsimon'i Ekoatora.

Ilay tetikasa, iarahan'ny El Churo sy ny vondrom-piarahamonina Sarayaku mitarika, dia mampianatra ny mponina ao an-toerana sy ny vondrom-piarahamonina avy amin'ny faritra manodidina ny fomba famoronana lahatsary andraisan'ny rehetra anjara ho fitantarana ny maha-zavadehbe ny natiora manodidina azy ireo sy ny kolontsaina nentindrazany. Marobe amin'ireo lahatsary no noraketina tamin'ny fiteny Kichwa.

Nomanina halefa nandritra ny vovonana tao Quito asy Sarayaku ireo lahatsary, arahana fanentanana iray amin'ny media sosialy ho toy ny ampahany amin'ny fanapariahana ilay lahatsary.

Araho ao amin'ny tranonkala ry zareo :