Aché Djawu (Ny teny Aché )

Ireo vondrom-piarahamonina indizeny Aché ao Paraguay – nanatevina laharana ny Rising Voices tamin'ny 2012

IMG_7055Sarotra ny lalàna nodiavin'ireo vazimba teratany Aché  tao Paragoay, ary hatramin'ny andro ankehitriny aza izay ahitàna betsaka ity tantara manahirana momba ireo olana mifandray amin'ny zon'ny fananantany ity. Nandritra ny taonjato faha-20, niaritra fandripahana iray nahatsiravina ny Aché ary nandia fanilihana efa nikendrena azy ireo hanalana azy amin'ny taniny, izay niteraka fahafatesan'olona an'arivony maro, mpitsoaponenana, ary fakàna an-keriny izay nampihena ny isan'izy ireo ho 350 sisa. Na izany aza, namerina nanorina tsikelikely ry zareo ary nanohy ny tolony hiarovana ny faritaniny. Ankehitriny, misy mpikambana eo amin'ny 1.500 eo ho eo mitsinjara anatina vondrom-piarahamonina enina any Avaratra sy Atsinanan'i Paragoay, matetika ny tantara manankarena sy kolontsaina ananan-dry zareo no takon'ireo andro manjombona tao anatin'ny tantara niainan'ny Aché tsy ela akory izay..

Tato anatin'ny enina taona farany, nanaraka ireny vondrom-piarahamonina Aché ireny i Tamara Migelson sy ireo mpanakanto hafa mpamokatra ‘multimedia’, sarimihetsika, ary mpamorona haibika, tamin'ny fandraketana antontan-kevitra momba ny fiainana andavanandro sy ny fombandrazan'izy ireo. Nanampy izy ireo tamin'ny fametrahana ny Ivontoerana ho any Kolontsaina sy ny Fifandraisana, izay namokatra andiana sarimihetsika fanadihadiana, boky, ary fampirantiana saripika izay nanampy nanehoana lafy iray hafa amin'ireo vahoaka Aché ho hitan'ny hafa ao amin'ny firenena. Naneho fahalinana lehibe tamin'ny fitantarana ny tantara manokan-dry zareo ireo mpikambana ao anatin'ireny vondrom-piarahamonina ireny, ary ankehitriny miaraka amin'ny fahafahana mahazo aterineto ho an'ireo vondrom-piarahamonina enina tsirairay : Chupa Pou, Kuetuvy, Arroyo Bandera, Ypetimi, Puerto Barra, sy Cerro Morotí, misy ny fahafahana ho an'ireo Aché hitondra fandraisana anjara misimisy kokoa amin'ny famokarana io fitaovana iray io ho amin'ny sehatra nasionaly, ao amin'ny faritra ary ho an'ny mpihaino manerana ny tany.

IMG_7060Miasa miaraka amin'ireo tanora avy amin'ireo vondrom-piarahamonina enina ilay tetikasa, izay andraisan'izy ireny anjara amina atrikasa totoafo ho fanamafisana ny fahaizamanaony amin'ny fampiasàna bilaogy, ny fakàntsary nomerika sy lahatsary, ary hatramin'ny famoronana tambajotra sosialy. Tao Asunción, renivohitra no natao ireo atrikasa sy ny fanarahamaso ny zavabita teny anaty vondrom-piarahamonina. Amin'ny fandraisana ny feon'ireo zokiolona no itantaran-dry zareo ny tantaran'ny vondrom-piarahamonina misy azy, ary amin'ny fanolorana vaovao momba ny sasany amin'ireo fanamby ara-tsosialy misy amin'izao fotoana izao izay atrehan'ny vahoakany. Ankoatra ny fahafahana mifandray aminà mpihaino misimisy kokoa amin'ny alàlan'ny media dizitaly dia mifandray izy samy izy ihany koa ireo vondrom-piarahamonina enina ireo, na dia an-jatony kilaometatra aza no manasaraka azy ireo, mba hifampizaràny ny tolony sy hankalazany ny fahombiazan-dry zareo.

Avy amin'ny fampiasana indrindra indrindra ny ‘smartphone’ , izay ahafahan'ireo mpikambaba ao amin'ilay tetikasa miditra mifandray amin'ny tambajotra sosialin-dry zareo, mifampizara saripika sy vaovao ao amin'ny pejy Facebook-n'ny vondrom-piarahamoniny ry zareo. Amin'ny fampiasàna ny IFTTT, azon'izy ireo atao ihany koa ny mamoaka ny bilaoginy WordPress sy ny kaontiny Twitter.

Araho ao amin'ny tranonkala ry zareo:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.