- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jatta Wöötanö

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Boca de Ninchare, Venezuela – nanatevina laharana ny Rising Voices tamin'ny 2014

YekuanaAo anatin'ny vondrom-piarahamonina indizeny  Yekuana ao Boca de Ninchare, any amin'ny lembalemban'ny renirano Caura ao Venezoelà, misy andian-taranaka tanora vaovao mahita ny zavatsoa entin'ny media dizitaly noho ireny fitaovana ireny lasa mora jifaina be. Ho entanin'ity tetikasa ity ireo tanora ao anatin'ilay vondrom-piarahamonina mba hanangana tarika iray ho “mpampita hafatry ny foko,” fiteny iray ampisaina hanondroana ireo olona izay mampiasa ny fifandraisana sosialy sy manana fahalalàna lalina momba ny kolontsain-dry zareo ary manana faniriana ny hizara ny fahalalàna ananany. Manana fifamatorana akaiky amin'ny Oniversiten'i Venezoelà ireo mpikambana ao anatin'ny tarika mpandrindra satria misy ny mbola mpianatra ao ary misy ny profesora fahiny tao koa. Raha misy ny fironan'ireo tanora an-drenivohitra hampiasa ireny teknolojia ireny, noho ny fisian'ny fifandraisana aterineto iraisan'ny vondrom-piarahamonina natolotry ny orinasam-panjakana misahana ny fifandraisandavitra, hanana vintana ireny mpampita hafatry ny foko ireny ankehitriny mba hilaza ny tantaran-dry zareo mianga avy any amin'izay toerana tena nitrangany.

Araho ao amin'ny tranonkala ry zareo:

Fanavaozam-baovao [3] momba ny Jatta Wöötanö