- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shuar sy Achuar: Ireo tantara nomerikanay amin'ny teninay ihany

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Macas, Ecuador – nanjohy ny Rising Voices tamin'ny 2014

marlonvargasManana tantara manankarena ny onjampeo-piarahamonina ao amin'ireo vondrom-piarahamonina indizenin'ireo Shuar sy Achuar Ekoatoriana Amazoniana, amin'ny fampitàna amin'ny tenin-dry zareo ihany ny mahakasika ireo olana goavana ao amin'io faritra io. Tian'ireo olona ao ambadik'ireny onjampeo ireny hianarana ny fomba hitondràna ireo tantarana kolontsaina mifamatotra ireo mba ho hita ety anaty tranonkala, amin'ny fampiasàna ireo rindrambaiko maimaimpoana handefasana an-tambajotra ny fandaharany ary hanokafana bilaogy mba hamenoana ny fomba fampitàna nahazatra azy ireo hatrizay. Ho fomba iray hanamafisana ny fifampiresahana sy fifandraisana eo amin'ny ray aman-dreny sy zanaka ary atao amin'ny teniny ihany, Shuar sy Achuar, hofanina amin'ny fampiasàna ireny fitaovana maimaimpoana ireny ireo tanora mpikambana amin'ireny onjampeo ireny.

Niaraka tamin'ny fanampian'ny Wambra Radio, dimy izao ireo onjampeo no nahatsangana ny bilaoginy, ny kaontiny media sosialy, ary efa nanampy fandefasana fandaharana ety an-tambajotra amin'ny fiteny Schuar sy Achuar, mba hahafahan'izy ireo mahatratra mpihaino misimisy kokoa.

Araho ao amin'ny tranonkala ry zareo:

Tranonkala: Radios Comunitarias – Wambra Radio [9]
Facebook: Wambra Radio [10]