Macas, Ecuador – nanjohy ny Rising Voices tamin'ny 2014
Manana tantara manankarena ny onjampeo-piarahamonina ao amin'ireo vondrom-piarahamonina indizenin'ireo Shuar sy Achuar Ekoatoriana Amazoniana, amin'ny fampitàna amin'ny tenin-dry zareo ihany ny mahakasika ireo olana goavana ao amin'io faritra io. Tian'ireo olona ao ambadik'ireny onjampeo ireny hianarana ny fomba hitondràna ireo tantarana kolontsaina mifamatotra ireo mba ho hita ety anaty tranonkala, amin'ny fampiasàna ireo rindrambaiko maimaimpoana handefasana an-tambajotra ny fandaharany ary hanokafana bilaogy mba hamenoana ny fomba fampitàna nahazatra azy ireo hatrizay. Ho fomba iray hanamafisana ny fifampiresahana sy fifandraisana eo amin'ny ray aman-dreny sy zanaka ary atao amin'ny teniny ihany, Shuar sy Achuar, hofanina amin'ny fampiasàna ireny fitaovana maimaimpoana ireny ireo tanora mpikambana amin'ireny onjampeo ireny.
Niaraka tamin'ny fanampian'ny Wambra Radio, dimy izao ireo onjampeo no nahatsangana ny bilaoginy, ny kaontiny media sosialy, ary efa nanampy fandefasana fandaharana ety an-tambajotra amin'ny fiteny Schuar sy Achuar, mba hahafahan'izy ireo mahatratra mpihaino misimisy kokoa.
Araho ao amin'ny tranonkala ry zareo:
- Bilaogy:La Voz de Arutam
- Facebook: La Voz de Arutam
- Bilaogy: La Voz de las Cascadas
- Facebook:La Voz de las Cascadas
- Bilaogy: La Voz de la NAE
- Facebook:La Voz de la NAE
- Bilaogy: Radio Jatari Kichwa
- Facebook:Radio Jatari Kichwa
Tranonkala: Radios Comunitarias – Wambra Radio
Facebook: Wambra Radio