- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manangana sarintanin'i Niger

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Niamey, Niger – nanatevina laharana ny Rising Voices tamin'ny 2013

mapping for N5Tamin'ny alalan'ny fiarahamiasa amin'ny Departemantan'ny Jeografia ao amin'ny Oniversite Abdou Moumouni [1] ao Niamey, Niger, dia nisy andianà mpianatra avy ao amin'ny Klioban'ny Joegrafia nivondrona hanangana ny Vondrom-piarahamonin'ireo Mpirotsaka an-tSitrapo mpanohana ara-Teknika (VTC) mba hijerena izay filàna sy ireo tantaran'ny fiarahamonina manodidina an-dry zareo. Tamin'ny fampiasàna ny fitaovana OpenStreetMap [2], azon'ilay tarika ny traikefa ilaina mba handraisana anjara aminà tetikasa iray ho an'ny maha-olona, ifandrimbonana ho firaketana an-tsarintany. Arakaraky ny nahazoan-dry zareo ireny sarintany ireny sy ny fahaizamanao amin'ny median'olontsotra, notetezin’ ireo mpandray anjara ny renivohitra sy ireo tanàna ambanivohitra manodidina mba handraketana an-tsarintany ireo marika fototra toy ny sekoly, arabe, ary toeram-pitsaboana. Nampiasa endrika hafa tamin'ny median'olontsotra ihany koa ry zareo mba hampifandraisana ny zavatra noraketiny an-tsarintany amin'ny filàn'ireny vondrom-piarahamonina ireny. Amin'ny fanarahana ity dingan'ny firaketana an-tsarintany ity amin'ny alàlan'ireo fanavaozana tsy tapaka ao amin'ny bilaogin'ny tetikasa sy kaonty Twitter sy Facebook, teraka avy amin'ny fiainana sy ireo tantara ary ny zavamisy iainana ao Niger ity tetikasa ity.

Araho ao amin'ny tranonkala ry zareo: