Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Manangana sarintanin'i Niger

Niamey, Niger – nanatevina laharana ny Rising Voices tamin'ny 2013

mapping for N5Tamin'ny alalan'ny fiarahamiasa amin'ny Departemantan'ny Jeografia ao amin'ny Oniversite Abdou Moumouni ao Niamey, Niger, dia nisy andianà mpianatra avy ao amin'ny Klioban'ny Joegrafia nivondrona hanangana ny Vondrom-piarahamonin'ireo Mpirotsaka an-tSitrapo mpanohana ara-Teknika (VTC) mba hijerena izay filàna sy ireo tantaran'ny fiarahamonina manodidina an-dry zareo. Tamin'ny fampiasàna ny fitaovana OpenStreetMap, azon'ilay tarika ny traikefa ilaina mba handraisana anjara aminà tetikasa iray ho an'ny maha-olona, ifandrimbonana ho firaketana an-tsarintany. Arakaraky ny nahazoan-dry zareo ireny sarintany ireny sy ny fahaizamanao amin'ny median'olontsotra, notetezin’ ireo mpandray anjara ny renivohitra sy ireo tanàna ambanivohitra manodidina mba handraketana an-tsarintany ireo marika fototra toy ny sekoly, arabe, ary toeram-pitsaboana. Nampiasa endrika hafa tamin'ny median'olontsotra ihany koa ry zareo mba hampifandraisana ny zavatra noraketiny an-tsarintany amin'ny filàn'ireny vondrom-piarahamonina ireny. Amin'ny fanarahana ity dingan'ny firaketana an-tsarintany ity amin'ny alàlan'ireo fanavaozana tsy tapaka ao amin'ny bilaogin'ny tetikasa sy kaonty Twitter sy Facebook, teraka avy amin'ny fiainana sy ireo tantara ary ny zavamisy iainana ao Niger ity tetikasa ity.

Araho ao amin'ny tranonkala ry zareo:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.