Drop-In Center: Fandaharana fanentanana vaovao

HIV/AIDS Awarness Displays, Kyiv, Ukraine

Fampahafantarana ny fanentanana momba ny VIH/SIDA ao Kiev, Okraina

(Lahatsoratrateny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2009)

Nibilaogy momba ny programa fanentanana vaovao momba ny VIH / SIDA i Pavel Kutsev, mpitarika ny hetsika Okrainiana fampihenana ny voka-dratsy sady talen'ny fikambanana Drop-In Center

Vao haingana ny fikambanany, Drop-In Center, no nanomboka ny programa tao Kiev, Okraina, izay mifantoka amin'ny fanairana ny fahatsiarovan-tenan'ireo mpampiasa zava-mahadomelina mikasika ny VIH/SIDA. Mametraka fampahafantarana eny amin'ny fivarotam-panafody izay falehan'ireo mpidoroka zava-mahadomelina matetika ireo mpikatroka ao amin'ny fikambanana.

Izao no nosoratan'i Pavel momba ny hetsika:

These displays, made by our own hands, have been placed in a few Kiev “depots” (pharmacies). Not in big fancy pharmacies, but in small and quiet drug stores that injection drug addicts usually visit. You often find corrupted policemen standing next to the entrance of such drug stores, hoping to get some cash from a drug addict coming in to buy a syringe. Volunteers of religious organizations, who often hunt for souls there, see everything but prefer not to intervene. Why do they stay there then? We carefully considered this situation and decided that awareness displays about harm reduction among injection drug users would be a very effective intervention on our part.

Besides nice pictures, the displays contain a “social city map” with telephone numbers and addresses of useful organizations where drug users can receive real help. This information includes prices and addresses of private detox centers and contacts of public HIV-servicing organizations where drug users can confidentially gain various types of assistance, from referrals to medical establishments to being provided with aid such as vitamins, medications, and the exchange of syringes. Most services in such organizations are provided by volunteers who are also HIV positive.

The displays will contain awareness literature on HIV/AIDS issues, including various booklets, leaflets, flyers, brochures, and business cards. Pharmacists will take care of these displays and add new booklets when needed.

It's our secret regarding who has given us official approval to cooperate with the owners of these small drug stores, but we can guarantee that our project won't harm our clients in any way, it will only benefit them by providing useful information.

Ireo fampahafantarana nataonay tamin'ny tananay manokana ireo dia napetraka teny amin'ny “famoahana entana” (fivarotam-panafody)  vitsivitsy any Kiev. Tsy any amin'ireny fivarotam-panafody raitra be ireny, fa any amin'ny fivarotana fanafody madinika sy mangina izay matetika tsidihan'ireo mpidoroka zava-mahadomelina. Matetika ianao mahita polisy mpanao kolikoly mijoro manakaiky ny fidirana eo amin'ny fivarotana zava-mahadomelina toy izany, manantena ny hahazo vola avy amin'ny mpidoroka zava-mahadomelina tonga hividy fanindromana. Mahita zavatra ireo mpilatsaka an-tsitrapo amin'ny fikambanana ara-pivavahana, izay matetika mihaza ireo fanahy ireo saingy aleony tsy miditra amin'izany. Nahoana izy ireo no mijanona ao? Nodinihanay tamim-pitandremana ity toe-javatra ity ary notapahina ny hevitra fa ny fampahafantarana fanentanana momba ny fampihenana ny voka-dratsy eo amin'ireo mpampiasa zava-mahadomelina tsindrona no mety ho fidirana an-tsehatra mahomby avy aty aminay.

Ankoatra ireo sary mahafinaritra, ahitana “sarintany ara-tsosialin'ny tanàna” miaraka amin'ny nomeraon-telefonina sy ny adiresin'ireo fikambanana mahasoa izay ahafahan'ireo mpidoroka zava-mahadomelina mahazo fanampiana ihany koa ilay afisy fampahafantarana. Ahitana ny sarany sy ny adiresin'ny ivotoerana tsy miankina misahana ny fialàna amin'ny zava-mahadomelina ary ny fifandraisana amin'ireo fikambanana miady amin'ny VIH izay ahafahan'ireo mpidoroka zava-mahadomelina mahazo karazana fanampiana isan-karazany ao anatin'ny tsiambaratelo, manomboka amin'ny fanomezana fitsaboana toy ny vitamina, fanafody ary fifanakalozana fanindromana. Ny ankamaroan'ny tolotra amin'ny fikambanana toy izany dia atolotr'ireo mpirotsaka an-tsitrapo izay mitondra ny VIH ihany koa.

Hahitana literatiora fanentanana momba ny VIH/SIDA ihany koa ny fampahafantarana, ka anisan'izany ny takelaka, ny boky kely, ny taratasy kely ary karatra fifandraisana. Hikarakara ireo fampahanfantara ireo ny mpiasan'ny farmasia ary hanampy bokikely vaovao rehefa ilaina izany.

Tsiambaratelonay ny mikasika izay nanome fankatoavana ofisialy anay mba hiara-miasa amin'ny tompon'ireo fivarotana kely momba ny zava-mahadomelina ireo, saingy afaka manome antoka izahay fa tsy hanimba ny mpanjifanay amin'ny fomba rehetra ny tetikasanay, fa hitondra soa ho azy ireo fotsiny amin'ny fanomezana fampahalalana mahasoa.

Nanoratra fomba hafa i Pavel tamin'ny faran'ny lahatsorany fa mety hahasoa ireo mpidoroka rongony ireo fivarotam-panafody madinika ireo:

By the way, I believe that this idea of street-based syringe exchange programs (when drug users can trade used syringes for sterile ones for free) are totally out-of-date. There should be permanent sites where drug users can receive syringes and antiseptic napkins, and these small drug stores could serve as such sites. This practice of permanent sites works very well in many European countries and I am sure it will work well in Kiev.

Izany eo ihany, mino aho fa efa lany daty tanteraka ity hevitra programa fifanakalozana fanindromana ity (rehefa afaka manakalo maimaim-poana fanindromana efa nampiasaina amin'ny fanindromana vaovao ireo mpidaroka zava-mahadomelina). Tokony hisy toerana maharitra ahafahan'ireo mpidoroka zava-mahadomelina mahazo fanindromana sy servieta anti-septika (miady amin'ny otrikaretina), ary azo ampiasaina ho toy ny toerana tahaka izany ireo fivarotam-panafody madinika ireo. Mahomby tsara any amin'ny firenena Eoropeana maro ity resaka toerana maharitra ity ary azoko antoka fa hahomby tsara ao Kiev ihany koa izany.

Mariho fa amin'ny teny anglisy dia voambolana iray ihany (drug) no anondroana ny zavamahadomelina sy ny fanafody.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.