RV Newsletter: Fanamafisana ny feon'ireo mpikatroka mampiasa ny fiteny Amerindiana ao amin'ny Twitter

Sary nataon'i Eddie Avila, nampiasa ny endrin-tsarin'ny vorona avy amin'i Sara Novovitch, ES sy ny endrin-tsarin'ny fiteny avy amin'i Erik Arndt tao amin'ny Tetikasa Noun.

Naotin'ny Rising Voices: atolotr'ity taratasim-baovao avoakanay isa-tapabolana ity ny fehin'ireo lahatsoratra bilaogy vao haingana miresaka ny fampiatiana nomerika izay mahatafiditra ny fahafaha-miditra sy ny fandraisana fitaovana nomerika, sy ireo fomba isankarazany ho an'ny vondrom-piarahamonina handraisana anjara antserasera feno. Vakio ato raha hijery ireo famoahana teo aloha amin'ity taratasim-baovao ity.

Ao anatin'ny Taona Iraisam-pirenena ho an'ny Fitenin'ny Indizeny 2019 (# IYIL19), nanatevin-daharana ny ezaka nataon'ny fanentanana vaovao tao amin'ny tambajotra sosialy:@NativeLangsTech ny Rising Voices sy ny Tetikasan'ny Fiteny Tandindonin-doza. Mikendry ny vondrom-piarahamonin'ny Amerindiana (Etazonia) sy ny vondrom-piarahamonin'ny Firenena Voalohany (Canada) amin'ny fanamafisana ny feon'izy ireo, ny fizarana ny tantarany, ary ny fampiroboroboana ny fiteniny ity hetsika fanentanana fifandimbiasam-pitantanana ao amin'ny Twitter ity .

Roy Boney, mpikatroka mpanandra-teny ao amin'ny Firenena Cherokee no voalohany amin'ireo maro  hampiantrano ny kaonty Twitter @NativeLangsTech. Ankoatra an'i Roy, ho fantatrao ihany ny momba ny fiteny Munsee/Lunaape, ny fiteny Gwich'in, izay anisan'ireo vitsy ihany raha ao anatin'ny lisitry ny mpikatroka mpanandra-teny nomerika any Kanada sy any Etazonia.

Raha mpamaky ny lahatsoratray ianao dia mety efa mahazatra anao ny hetsika roa hafa izay efa nataonay mitovy amin'izany dia ny: @ActLenguas (ho an'ireo fitenin'ny indizeny any Amerika Latina) sy ny @DigiAfricanLang (ho an'ny fitenin'ny indizeny ao Afrika). Fa manasa anao handray ny fanasanay kosa izahay ary hanaraka ireo mpikatroka mpanandra-teny mamirapiratra ireo ao amin'ny @NativeLangsTech raha toa ka mahaliana anao ny momba ny fitenin'ny indizeny any Etazonia sy Kanada ary/na ny fomba famelomana aina ny fiteny amin'ny vanimpotoan'ny aterineto sy ny teknolojia !

VAOVAO HAFA AVY AMIN'NY BILAOGY RISING VOICES

Amin'ity lohahevitra ity, tianay ho fantatrao ny momba ireo mpampiantrano roa vao haingana amin'ny tetikasanay ifandimbiasam-pitantanana ao amin'ny Twitter momba ny fikatrohana nomerika ny fiteny Afrikana (@DigiAfricanLang)! Tianay ny misaotra an'i Dámilọ́lá Adébọ́nọ̀jọ (na i Ìyá Yorùbá) noho ny fizarany taminay ny asany amin'ny fiteny Yorùbá sy Siya Masuku noho ny asany amin'ny fiteny isiZulu. Azafady mba vakio ny lahatsoratra fanontaniana sy valiny raha te hamantatra bebe kokoa momba azy ireo sy ny asany!

Mandritra izany fotoana izany, tohizanay ny fitondrana anao mankany amin'ny lahatsoratra naverina navoaka avy amin'ny GISWatch ao amin'ny APC, izay mifantoka amin'ny tambajotran'ny vondrom-piarahamonina. Amin'ity lohahevitra ity tianay ny manolotra anao ny fizàran-draharaha Italiana, izay ahitana ny vondrom-piarahamonina mpisovoka mametraka ny fahaizan'izy ireo hiasa ary hanampy amin'ny fampifandraisana ny hantsana ao anatin'ny iray amin'ireo firenena Eropeana izay ahitana ny hantsana nomerika lalina indrindra. Tianao ve ny hamantatra bebe kokoa momba ny olana atrehin'izy ireo sy/na ny hetsika tahaka izany any Italia? Azafady vakio bebe kokoa ato .

FIFANINANANA ISANKARAZANY

Running a not-for-profit grassroots organization aiming to promote intercultural dialogue and understanding for a more inclusive society, in terms of faith, age, gender, etc.?  Looking to make a bigger impact? United Nations Alliance of Civilizations (UNAOC), partnered with the BMW Group, is seeking eligible applicants for their Intercultural Innovation Award.  Please see here for details.  Application due: May 31, 2019 (5pm EDT)

Mitantana fikambanana eny an-toerana tsy mitady tombontsoa izay mikendry ny hampiroborobo ny fifanakalozan-kevitra sy fahatakarana iraisan-kolontsaina hisian'ny fiarahamonina mampiaty kokoa, amin'ny resaka finoana, ny taona, lahy na vavy, sns ve ianao? Tianao hisy fiantraikany bebe kokoa ve izany? Mikarakara fifaninanana Lokan'ny Fanavaozana Iraisan-kolontsaina ny Firaisamben'ny Sivilizasiona ao amin'ny Firenena Mikambana (United Nations Alliance of Civilizations -UNAOC), izay miara-miasa amin'ny BMW Group. Jereo eto azafady ny momba ny antsipirihany amin'ny fisoratana anarana farany amin'ny: 31 Mey 2019 (5 ora hariva EDT)

HETSIKA HOAVY SY FIVORIAMBE

Miantso amin'ny fisoratana anarana ny Sekoly Afrikana faha-7 momba ny Fitantanana ny Aterineto (AfriSIG 2019). Maharitra enina andro ity hetsika izay miompana amin'ny fianarana matihanina sy ny fizarana fahalalana momba ny fitantanana ny aterineto sy ireo olana mifandraika amin'izany ity, ary nomanina hatao any am-piandohan'ny volana Septambra. Miangavy anao hitsidika ny tranonkalan'izy ireo ho an'ny fahazoana alalana, fanavaozam-baovao ary ny antsipiriany hafa. Fisoratan'anarana farany: 1 Jona 2019 / Toerana: TBD

FITAOVANA SY LOHARANO

Efa nanontany tena ve ianao hoe firy ny sehatra fampahalalam-baovao Latino misy any Etazonia? Azonao atao ny mamantatra izany ato amin'ity fanehoana an-tSarintany ny Fampahalalam-baovao Latino ity avy amin'ny Craig Newmark Graduate School Journalism ao amin'ny Oniversiten'i tanandehiben'i New York (CUNY). [ Anglisy / Espaniola ]

TSARA VAKIANA SY HENOINA IHANY KO

Araho ny Vaovao avy amin'ny Rising Voices

 

 

Misaotra an'i Eddie Avila tamin'ny fandraisana anjara tamin'ity vaovao ity.

Mikatona ny famoahana hevitra