- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Akon'i Zimbaboe: Nivadika tsimoramora ho mpanao didijadona ilay nantenaina ho mpanavotra

Sokajy: Afrika Mainty, Borondi, Malawi, R.D. Kongo, Rwanda, Zimbaboe, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2005)

Zimbaboe: Manolotra famintinana ireo tohan-kevitra lehibe manohana sy manohitra ny fandraisan'ny MDC anjara amin'ny fifidianana loholona izay hotontosaina afaka roa herinandro latsaka i This is Zimbabwe ao amin'ny Surviving Zimbabwean Democracy [1]. Miahiahy noho ny tsy fahombiazan'ireo manam-pahaizana maro mamantatra ny fiantraika ratsin'ny fifidianana izay mananontanona ny Zimbaboeana, mampitandrina izy mba,

“forget that when Zimbabweans are asked by political parties to turn out and vote, they are in effect being asked to deal with intimidation, violence and with the likelihood that they and their children – I emphasise, their children – will be deprived of food if the area votes against zanu-pf. To be fair to the people of Zimbabwe, any arguments for or against electoral participation have to engage with their grassroots reality.”

“tsy hanadino fa rehefa mangataka amin'ny Zimbaboeana ireo antoko politika mba hivoaka sy hifidy, dia angatahana izy ireo raha ny marina mba hiatrika fampitahorana, herisetra ary ny mety hitranga amin'izy ireo sy ny zanak'izy ireo – asongadiko hoe, ny zanak'izy ireo – mety tsy hahazo sakafo raha tsy mifidy an'i zanu-pf ilay faritra. Raha te ho tsara fanahy amin'ny vahoaka ao Zimbaboe, dia tokony hiditra amin'ny zava-misy iainan'izy ireo eny ifotony ny tohan-kevitra rehetra momba sy manohitra ny fandraisana anjara amin'ny fifidianana “

Mikasika ny lohahevitra fifidianana loholona, mamely ny MDC [2]FirePussy,

“the Senate Elections notwithstanding, there has been a Big Bold Sign flashing for the last couple of years:

MDC Change Your Tactics.”

na dia eo aza ny fifidianana loholona, dia nisy ny Marika Goavana sy Vaventy nipika nandritra ny roa taona farany:

MDC Ovay ny tetikadinareo.”,

Ary toa matoky i Zimpundit fa efa tapitra ny andron'i Morgan Tsvangirai eo an-tampon'ny MDC [3],

“Tsvangirai emerged not as the benovelent savior Zimbabweans had begun to look to him as, but as just another victim of that dreadful pandemic that has claimed hindered the continent's prosperity and progress: a dictator, another tyrant in the making.

He had started to build himself a kingdom, an untouchable kingdom just like Robert Mugabe has succeed in doing. And just like Mugabe, he has been trying albeit unsuccesfully to squash any dissent to his views. Fortunately for Zimbabweans, his closest associates saw this and denied him that opportunity.”

“Nisandratra i Tsvangirai tsy amin'ny maha-mpamonjy tsara fanahy araka ny nijeren'ny Zimbaboeana azy, fa tahaka ny lasibatra iray hafa tamin'ny areti-mifindra mahatsiravina izay lazaina fa nanakana ny firoboroboana sy ny fivoaran'ny kaontinanta: mpanao didy jadona, tsy refesi-mandidy iray hafa eo am-piofoana.

Nanomboka nanorina fanjakana izy tenany, fanjakana tsy azo kitihana tahaka izay efa nahombiazan'i Robert Mugabe tamin'ny fanaovana izany. Ary tahaka an'i Mugabe, niezaka izy saingy tsy nahomby tamin'ny fanakanana izay rehetra tsy mitovy hevitra aminy. Soa ihany ho an'ny Zimbaboeana, nahita izany ireo mpiara-miasa aminy akaiky aminy ka nitsipaka izany fidanadanana izany. “

Miresaka momba ny disadisa ara-diplomatika noresahan'i Harare taorian'ny nanakianan'i Christopher Dell, masoivoho amerikana, ny fitondrana Mugabe tamin'ny kabary [4] i This is Zimbabwe .

Mark ao amin'ny Paradise Lost nitafatafa tamin'i Sizwe, tanora Zimbaboeana mpifindra monina any Afrika Atsimo sy i Gary Cross,  [5]pasitera ao amin'ny fiangonana iray ao Harare izay niatrika krizy satria tsy misy dikany ny tombontsoa ho an'ny fisotroan-drononony raha oharina amin'ny fisondrotry ny vidim-piainana.

Burundi: tezitra tamin'ny Firenena Mikambana i Agathon Rwasa noho ny fandraisana fepetra feno fampanantenana kanefa avy eo manohana ny famelana ireo sivily tsy manan-tsiny maro hovonoina any Burundi [6],

“By making threats back in 2004 and then not following through with those threats, the UN was inviting the FNL to carry out further atrocities. By encouraging the FNL to think that they were immune, and that they could extract further concessions by killing more people, the UN helped to cause the August 13th 2004 Gatumba massacre.

This is a matter of life or death. Unless the UN a) applies sanctions to the FNL or b) shuts up now, their empty threats will help to cause another massacre, possibly one even worse than Gatumba.”

“Amin'ny fanaovana fandrahonana tamin'ny taona 2004 ary avy eo tsy nanaraka izany fandrahonana izany, nanasa ny FNL ny ONU mba hanatontosa habibiana hafa. Amin'ny famporisihana ny FNL hihevitra fa tsy manan-kery izy ireo, ary afaka mahazo fifanarahana bebe kokoa izy ireo amin'ny famonoana olona marobe , nanampy nitarika ny vono olona Gatumba ny 13 Aogositra 2004 ny Firenena Mikambana .

Resaka aina na fahafatesana izany. Raha tsy mampihatra sazy amin'ny FNL ny ONU, na mangina amin'izao fotoana izao, dia hanampy hiteraka vono olona hafa, mety ho ratsy kokoa noho ny tany Gatumba ireo fandrahonana tsy misy dikany ataon'izy ireo.”

Mitatitra ihany koa izy fa mandrisika ny mpanaraka azy hanakana ny hetsika FNL any Tanzania ny filoha misotro ronono any Tanzania, Benjamin Mkapa [7].

Farany, Agathon Rwasa manambara bilaogy vaovao, Memoire Vigilante [8]

RDC: Congogirl mitatitra fa havela hiatrika fitsarana any an-tanindrazany ilay pretra Belza, vahiny voalohany voampanga tamin'ny vono olona tany Rwanda tamin'ny taona 1994 [9]. Namoaka lahatsoratra izay sombiny tamin'ny gazetiboky Hutu ny mopera Guy Theunis.

Malawi Bilaogera Geeta mizara ny heviny momba ny fandaharan'asa iombonana ao Malawi [10].