Tantara tamin'ny 04 Jona 2019
RV Newsletter: Fanamafisana ny feon'ireo mpikatroka mampiasa ny fiteny Amerindiana ao amin'ny Twitter

Manome rohy mankany amin'ireo sehatra mifandraika amin'ny fampidirana nomerika ny RV newsletter# 8 , anisan'izany ny fidirana sy ny fampiasana ny fitaovana nomerika, ary ny fomba samihafa ho an'ny vondrom-piarahamonina mba handray anjara feno amin'ny aterineto ihany koa.
Drop-In Center: Fandaharana fanentanana vaovao

Nibilaogy momba ny programa fanentanana vaovao momba ny VIH / SIDA i Pavel Kutsev, mpitarika ny hetsika Okrainiana fampihenana ny voka-dratsy sady talen'ny fikambanana Drop-In Center
Akon'i Zimbaboe: Nivadika tsimoramora ho mpanao didijadona ilay nantenaina ho mpanavotra
"Nisandratra i Tsvangirai tsy amin'ny maha-mpamonjy tsara fanahy araka ny nijeren'ny Zimbaboeana azy, fa tahaka ny lasibatra iray hafa tamin'ny areti-mifindra mahatsiravina izay lazaina fa nanakana ny firoboroboana sy ny fivoaran'ny kaontinanta: mpanao didy jadona, tsy refesi-mandidy iray hafa eo am-piofoana.
David Hoffman ao amin’ny Internews

David Hoffman no mpanorina sady filohan'ny Internews, iray amin'ireo fikambanan’ny fampivelarana ny fampitam-baovao voalohany. Nohazavain'i David ny fomba nanombohan'ny Internews tamin'ny alàlan’ny fandrindrana ny fomba roa amin'ny fifandraisana an-janabolana teo amin’ireo tanora Sovietika tany Moskoa sy ny Amerikanina nandritra ny Fetiben'i Etazonia 1982 izay notohanan'ny mpiara-manorina ny Apple Computer Steve Wozniak.