Tantara tamin'ny 03 Jona 2019
Ramsey Tesdell ao amin’ny 7iber.com

Ramsey Tesdell no mpanorina ny 7iber.com, vondrom-piarahamonin'ny asa fanaovan-gazetin’olon-tsotra sy ny tetikasa fampiofanana any Amman, Jordania. Nihaona taminy tany amin’ny fandaharan’asa Manamafy Orina ny Fampitam-baovao Tsy Miankina tany Aotrisy izahay, izay mikendry ny hamoaka an-tsarintany ny vanim-potoana vaovao amin’ny fivoaran’ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena.
Jereo ny fitantarana mivantana ny Vovonana Global Voices Azia Pasifika!
Nanomboka tamin'ny 9:30 maraina ora any Taiwan (UTC +8:00) ny fitantaranay mivantana ny fizotry ny Vovonana Global Voices Azia Pasifika.
Tontolon'ny bilaogy Kenyana
Bankelele manoratra momba ny karazana fiverenan'ny fifaninanana safari East African Classic, izay tsy anisan'ny fifaninanana iraisam-pirenen'ny WRC intsony, saingy manolotra 'toeram-pizahatany manintona sady mampanembona ary tsy manam-paharoa'.
Manolo-kevitra hifehezana ny media sosialy ny praiministra ao Papoà Neo Ginea, satria mila hatsahatra ny “vaovao faikany” hoy izy

Nametraka ny fomba fijeriny mikasika ny fanarahamaso ny media sosialy ny governemanta Papoà-Neo-Ginea mba hiadiana amin'ny fielezan'ny vaovao tsaho sy vaovao faikany amin'ny aterineto. Nampitandrina ireo mpitsikera sy ny mpanao gazety fa mety hitarika ho amin'ny fanakonana ny fahalalahana miteny izany.