- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogy Kiswahili: Tsy manana anarana ny ankamaroan'ny lalana an-tanandehibe tanzaniana… (2005)

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Oganda, Tanzania, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2005)

Mawazo na Mawaidha [1]manoratra momba ny kapilatra mangirana vaovao an'i Bob Marley [2]. Tena tiany manokana ilay hira, Slogan, iray amin'ireo hira fito hita tao amin'ny efitrano fiasan'i Marley. Novokarin'ny zanak'i Bob Marley, Stephen [3]sy Ziggy [4] ilay hira, izay mampiseho an'i Eric Clapton [5] eo amin'ny gitara.

Dira Yangu, manoratra avy any Oganda, mangataka amin'ireo mpamaky azy mba tsy ho gaga [6] raha sendra samborina izy noho ny fanoratana ny raharaham-pitsarana an'i Dr. Kiiza Besigye [7]. Miatrika fiampangana famadihana sy fanolanana i Besigye ao amin'ny fitsarana ambony ary fiampangana fampihorohoroana sy fitanana basy tsy ara-dalàna kosa ao amin'ny fitsarana miaramila. Vao haingana ny governemantan'i Oganda no nandràra ny media eo an-toerana mba tsy hiresaka na inona na inona mikasika an'i Kiiza Besigye.

Nanao dikan-teny mahafinaritra tamin'ny teorian'ny ady saranga nosoratan'i Karl Marx i Gaphiz. Mandray ny Fanambaràn'i Arusha [8] ho ohatra iray tamin'ny niasan'i Karl Marx izy.

Bakanja,moanina katolika, tsy mahatakatra ny lojika ao ambadiky ny “fandrosoana” andrenivohitra any Tanzania [9]. Tsy manana anarana lalana ny ankamaroan'ny toerana ao an-tanàna sy tanàn-dehibe Tanzaniana, tsy nohatsaraina ny rafitra fanariana rano maloto hatramin'ny nahazoan'i Tanganyika fahaleovantena  tamin'ny taona 1961, ary mitombo haingana ny mponina an-drenivohitra.

Harakati manambara [10] ny bilaoginy vaovao amin'ny teny anglisy, Proud African [11]. Nanatevin-daharana vondrona madinika bilaogera Tazaniana – Anglisy [12] izy. Mibilaogy amin'ny teny Kiswahili avy any Toronto, Kanada hatramin'ny Aogositra tamin'ity taona ity i Harakati.

Nandefa sary avy amin'ny fampielezan-kevi-pifidianana filoham-pirenena ao Tanzania i Michuzi. Christopher Mtikila [13]no filoha mampiady hevitra ao amin'ny Antoko Demokratika Mitambatra. Niakatra fitsarana izy ary nigadra imbetsaka mihoatra noho ny mpanao politika hafa ao Tanzania. Nametraka ny lazany izy tamin'ny fiandohan'ny taona 90 rehefa tsy nety nanaiky ny fanakambanana an'i Tanganyika [14] sy Zanzibar [15]. Natambatra tamin'ny taona 1964 ny firenena roa tonta mba hanangana an'i Tanzania [16]. Freeman Mbowe [17] no mpitarika ny iray amin'ireo antoko mpanohitra matanjaka indrindra ao Tanzania, Chadema [18]. Lasa nalaza be izy noho ny fampiasana angidimby tamin'ny fampielezan-keviny [19].