- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogy Kenyana: Noroahin'i Kibaki daholo ny minisitra rehetra (2005)

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2005)

Natsangana vao haingana ny Kenyan Open blog [1], ny hevitra ambadik'izany dia ny mba “ahafahana manara-maso sy mamantatra ireo lohahevitra manan-danja eo amin'ny tontolon'ny bilaogy Kenyana na iadian-kevitra ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Kenyana midadasika.”
Moa ve ity bilaogy misokatra, miaraka amin'ny fisantarana andraikitra tahaka ny Nchi Yetu Daily [2] ity ka afaka mampandroso ny tontolon'ny bilaogy Kenyana ho amin'ny maodely mizara telo momba ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy? (manangom-baovao, maneho hevitra sy miady hevitra, ary miasa – Raha hijery bebe kokoa amin'izany, vakio ny lahatsoratr'i Ethan Zuckerman momba ny “Manome sehatra ho an'ny firenena an-dalampandrosoana ho ao amin'ny fahefana ambony faharoa” [3]) Ialana tsiny azafady ny fiovan-kevitra kely, andeha hiverina ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Kenyana .

Taorian'ny fitsapan-kevi-bahoaka natao 15 andro lasa izay, tsy nanana kabinetra nandritra ny tapa-bolana i Kenya raha nanalava ny parlemanta ny filoha Kibaki ary nandroaka ireo minisitry ny kabinetra rehetra. Manangana indray ny kabinetra izy ankehitriny. Tsy hita miharihary ao amin'ny kabinetra vaovao ireo filohan'ny hetsika Demokratika Laoranjy, izay mbola manana fahefana araka ny nasehoan'ny latsa-bato tamin'ny referandaoma. Mental acrobatics mahita [4] fa tsy manao zavatra tsara ireo rehetra manoro hevitra ny filoha Kibaki tato ho ato.

It has to be said the craziest person in Kenya today is whoever is advising Kibaki at the moment. Wrong move after wrong move after wrong move. Watching Kibaki is like watching a heavy metal fan trying to break dance.

Tsy maintsy lazaina fa olona adala indrindra ao Kenya ankehitriny izay manoro hevitra an'i Kibaki amin'izao fotoana izao. Fanapahan-kevitra ratsy hatrany hatrany.Tahaka ny mijery mpankafy metaly mavesatra miezaka manao break dance ny mijery an'i Kibaki.

Tamin'ny fotoana nanoratana ity fizarana ity, minisitra 3 sy minisitra lefitra 17 no nandà ny toeran'izy ireo natolotry ny filoha Kibaki. Tamin'izany, manamarika i mental acrobatics [5] fa mety te-hihevitra isika fa manao izany amin'ny fahatsapana andraikitra nasionaly izy ireo, saingy mampiseho tombontsoan'ny antoko kosa ny famantarana sasany.

kibara's [6] miresaka momba ny kabinetra vaovao?

I believe that Kibaki made the best decision for Kenya , to select people loyal to his to his cabinet. I don't understand for the life of me where dudes decided one day that all politicians have to be in one party. We need opposition in Kenya for our nascent democracy to thrive.”

Mino aho fa nandray fanapahan-kevitra tsara indrindra ho an'i Kenya i Kibaki, mba hifidy olona tsy mivadika aminy ao amin'ny kabinetrany. Tsy azoko eo amin'ny ny fiainako hoe taiza no nisy lehilahy nanapa-kevitra indray andro fa tokony ho anatin'ny antoko iray ny mpanao politika rehetra. Mila mpanohitra isika eto Kenya ho firoboroboan'ny demokrasiantsika vao misandratra.”

manampy ihany koa izy fa tokony hanana safidy maro kokoa ny Kenyana amin'ny taona 2007, araka ny filazany hoe:

… there should be one or two major parties for Kenyans to choose their president. Here is what I can see as the parties in Kenya come 2007 and beyond. Kibaki and the NARC Kibakistas, Orange Democratic Movement (ODM) and KANU. That is quite good. No need for some stupid Government of National unit as far as I am concerned.”

… tokony hisy antoko iray na roa lehibe ho an'ny Keniana hifidy ny filohan'izy ireo. Ity ny zavatra hitako ho antoko raha manatona ny taona 2007 sy aorian'izany: Kibaki sy ny NARC Kibakistas, ny Hetsika Demokratika Laoranjy (ODM amin'ny teny Anglisy) ary ny KANU. Tsara ihany izany. Tsy mila ny governemantan'ny firaisana nasionaly adala aho raha ny hevitro manokana

Kenyan pundit [7] izay manatrika ny fihaonamben'ny global voices any Londra, manondro lahatsoratra [8] momba ny tsy fisian'ny vehivavy ao amin'ny kabinetra vaovao.

M [9] kosa miresaka ny fomban'ny boky tantara [10]amin'ny fandrafetana ny kabinetra, feno miaraka amin'ny […] cendrillon sy ireo olona fohy kely…

Kenyan Pundit amin'ny fombany mampahafantatra manontany hoe “Inona ny olana ao amin'ny Asa fanaovan-gazety Kenyana [11]?”

Kenyan Prodigal daughter [12] milaza fa misy fihisarana amin'ny fomba fanatanterana zavatra [13] any amin'ny foibe sasany fanaovana taratasy, mifanohitra amin'ny endrika mavitrika ao Nairobi.

Mitatitra i Bankelele [14] fa hisokatra amin'ny 16 Desambra ao Nairobi ny fikorisana an-dranomandry [15], ary manana ny lisitry ny fandaharan'asa (tsy-kabinetra) izy. Tamin'ny fiandohan'ny herinandro, nitatitra momba ny horohorontany nanakorontana an'i Nairobi [16] izy (nisy horohorontany tany Tanzania [17])

Satria efa hifarana ny taona, Maitha [18] ao amin'ny bilaoginy swahili – Mawazo na Mawaidha, hisaintsaina momba ireo songadina [19] nandritra ny taona, ny tsara sy ny ratsy, ary manasa ny hafa hizara ny ‘folo tsara indrindra’ ho an'ny taona 2005.

Ho any Kenya aho mandritra ny tapabolana, mety tsy ho afaka miditra aterineto aho, mety ho ataoko manararaotra izany fialantsasatra izany mba handefa ny fiarahabana fety ho an'ny ekipa, mpamaky, mpitsidika ny global voices, ny sehatra Kenyana mavitrika sy ny  tontolon'ny blaogy manerantany. Amin'ny taona 2006 mihaona!