Afrikana ve ny Afrikanera? Lasan'ny mpanankarena hatrany ny tany mahafinaritra sy torohay hafa avy ao Afrika Atsimo

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana desambra 2005)

Jonty ao amin'ny The Fishbowl maneho hevitra momba ny zava-nisy tamin'ny fanadihadiana vaovao iray mampiseho fa niaina  “fiovàna goavana indrindra amin'ny fomba fijery ara-politika” eo amin'ny vondrona rehetra ny Afrikanera hatramin'ny fifidianana tamin'ny taona 1994.

“This is probably understandable, given that by fair assumption that Afrikaners had the furthest to move politically after the fall of apartheid. In saying that though, I am in no way meaning to diminish the positive nature of that development. Afrikaners could very easily not have embraced the new rainbow nation, and we would be sitting in a far worse position as a country than where we are right now.”

“Angamba azo takarina izany, raha jerena ny fiheverana fa manana fahafahana indrindra handray fepetra ara-politika taorian'ny firodanan'ny fanavakavaham-bolonkoditra ny Afrikanera … Rehefa miteny izany aho dia tsy midika hoe mampihena ny endrika tsaran'izany fivoarana izany. Tsy afaka hahazo firenena avana vaovao mora foana ny Afrikanera, ary hipetraka amin'ny toerana ratsy kokoa amin'ny maha-firenena raha oharina amin'ny misy antsika amin'izao fotoana izao.”

Daan ao amin'ny In my Nes mitondra ny adihevitra mitohy hoe mety ho Afrikana ve ny fotsy hoditra sy ny Afrikaner.

“Aha, yet another post on the Afrikaner identity crisis, and now I add another term, African, to the mix…Ha, but try and explain this identity to a black person (or a foreigner for that matter), most often in my experience it would illicit seriously mixed reaction. Interesting, maybe because they are mostly completely and utterly unprepared to deal with such an idea, or maybe they view it as a threat to their ‘New South African’ identity. I don't know, but it's not going to stop me from being, and calling myself an African.”

“Aha, mbola misy lahatsoratra iray hafa momba ny olan'ny maripanondroana Afrikaner, ary ankehitriny dia manampy teny iray hafa aho, Afrikana, amin'ny fangarony … Ha, saingy ezaho sy hazavao ity mari-panondroana ity amin'ny olona mainty (na vahiny koa raha izany), matetika amin'ny zava-misy iainako, dia mety hiteraka fanehoan-kevitra mifangaro izany. Mahaliana, angamba satria tena tsy niomana hiatrika izany hevitra izany izy ireo, na mety mihevitra izany ho toy ny loza mitatao amin'ny mari-panondroana Afrikana Tatsimo vaovao. Tsy fantatro, saingy tsy manakana ahy hiantso ny tenako ho Afrikana izany. “

Bilal's Blog manamarika ny fahabetsahan'ny tany fanaovana golfa an'olona manokana ao Afrika Atsimo, ary maneho hevitra fa toy ny any amin'ny firenena kapitalista hafa, ny manan-karena ihany no afaka mandoa vola hahita ny sasany amin'ireo toerana mahafinaritra indrindra ao amin'ny firenena.

“I found myself at the Hartebeesport Dam- really beautiful place! There's something about water that attracts people- even dirty, green water like what we find at the Zoo Lake! But like a true capitalistic nation that we are, prime natural spots like that have been heavily inflated so that only rich, bourgeoisie can afford to live where previously poorer people have been displaced! All in the name of premium golf estate living!”

“Tonga tao amin'ny tohodrano Hartebeesport aho – toerana tena mahafinaritra! Misy zavatra momba ny rano izay manintona ny olona – na dia rano maloto sy maitso toy ny hita any amin'ny Farihin'i Zoo aza! Saingy toy ny firenena tena kapitalista, toerana voajanahary voalohany izay niaka-bidy fatratra hany ka ny manan-karena, sy ny “bourgeoisie” ihany no mahavita monina ao raha nafindra toerana kosa ireo mahantra nonina tao teo aloha! “Noho ny fampiainana toerana fanaovana golfa avo lenta izany rehetra izany!”

Vas Lube manontany ny politikan'ny raharaham-bahinin'i Afrika Atsimo mikendry hanamafy ny fifamatorana amin'i Iran.

“ZA policy in this regard with Iran is unacceptable and counters to ZA’s liberal values which Iran regime is opposed to. ZA will be better off if we moved closer ties with US than those countries like Iran, Cuba, et al. ZA fingers will be burnt very badly. I find this events very unsettling and disturbing.”

“Ny politikan'ny ZA eo amin'io lafiny io dia tsy azo ekena ary mifanohitra amin'ny soatoavina liberaly ZA izay toherin'ny fitondran'i Iran. Ho tsara kokoa ny ZA raha hifanerasera akaiky kokoa amin'i Etazonia isika fa tsy ireo firenena toa an'i Iran, Kiobà, sy ny hafa. Tena hirehitra mafy ny rantsan-tanan'ny ZA. Hitako fa tena mampikorontana sy manelingelina izany zavatra izany. “

Iray amin'ireo tranga goavana notaterina tao amin'ny haino aman-jery tamin'ity herinandro ity ny fanambadian'ny pelaka ao Afrika Atsimo lasa ara-dalàna- na dia mbola mila miandry iray taona hafa aza ny pelaka satria mbola hahitsy ny lalàm-panorenana mba hampidirana izany. Moral Fiber mampitaha ny toe-draharaha Afrikana Tatsimo amin'i Kamerona izay tsy ara-dalàna sy azo saziana hatramin'ny dimy taona an-tranomaizina ny fahapelahana.

“It is painfully ironic that South Africa is one of the most progressive countries in the world in regards to equal rights, while so many countries on the continent are completely backwards when it comes to equality. One would have thought that centuries of struggle against colonialism and racism would have bred some sort of tolerance among Africans for people who are different. It really isn't surprising that many of the continent's anti-gay laws were actually put on the books by the colonial oppressors of yesteryear. One wonders what the African Union is doing about human rights.”

“Tena esoeso mahery vaika fa iray amin'ireo firenena mandroso indrindra manerana izao tontolo izao i Afrika Atsimo mikasika ny fitovian-jo, raha maro amin'ireo firenena ao amin'ny kaontinanta no mihemotra tanteraka raha momba ny fitovian-jo. Nihevitra ny sasany fa niteraka karazana fandeferana teo amin'ny Afrikanina ho an'ny olona izay tsy mitovy ireo taonjaton'ny tolona manohitra ny fanjanahantany sy ny fanavakavaham-bolon-koditra. Tsy mahagaga tokoa raha maro amin'ireo lalàna manohitra ny pelaka any amin'ny kaontinanta no napetrak'ireo mpanjanaka mpampijaly taloha maro tamin'ny boky. Misy ny manontany izay ataon'ny Vondrona Afrikanina amin'ny zon'olombelona. “

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.