- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogy Nizeriana 2005: Fiaramanidina, rafi-pampianarana, fombam-pivavahana

Sokajy: Afrika Mainty, Nizeria, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2005)

Taorian'ny fianjerana fiaramanidina telo vao haingana tany Nizeria, nanoratra andiana tatitra mahaliana momba ny Sehatry ny Fiaramanidina Nizeriana i Chippla [1]. Mandinika ny tsirairay amin'ireo fianjerana, ny valintenin'ny fampahalalam-baovao Nizeriana sy ny Governemanta ny tatitra [2].

However, reforming the aviation sector demands more than that and would need to be extended to airline management, safety, proper and regularly updated training for pilots and cabin crews, airports with functional facilities and well-trained staff. This cannot be done in a day, or in a few months. It will take time. The domestic airlines market should be fully liberalized locally. Airlines should have the liberty of flying where they want to, and when a destination fails to make business sense, there should be no obligation on airlines to serve it.

Na izany aza, mitaky mihoatra noho izany ny fanavaozana ny sehatry ny fisidinana, ary mila hitarina any amin'ny fitantanana ny zotram-piaramanidina, ny fiarovana, ny fiofanana araka ny tokony ho izy sy ara-potoana ho an'ny mpanamory fiaramanidina sy ny ekipan'ny fanamoriana, seranam-piaramanidina miaraka amin'ny fotodrafitrasa mandeha sy mpiasa tsara hofana. Tsy vita ao anatin'ny iray andro, na volana vitsivitsy izany. Mila fotoana izany. Tokony halalahana eo an-toerana ny tsenan'ny zotram-piaramanidina anatiny. Tokony hanana fahalalahana hisidina eny amin'izay tiany ny zotram-piaramanidina, ary rehefa tsy mahomby amin'ny fandraharahana ny toerana haleha, dia tsy tokony terena hankany ny zotram-piaramanidina.

“Built for eggheads manned by morons”Grandiose Parlour's [3] kosa mifantoka amin'ny rafi-panabeazana ao Nizeria – zavatra izay tsy mitsahatra mihen-danja hatramin'ny nahazoana ny fahaleovantena.

It does not take a rocket scientist to figure that the Nigerian education system is in doldrums. Past interventions have not worked, and the present attempts (if any) to revive the system and inject some life into it has not shown any promising signs so far.

Tsy mila mpahay siansa momba ny balafomanga vao hahafantatra fa tsy mandroso ny rafi-pampianarana Nizeriana. Tsy nisy vokany ny firotsahana an-tsehatra taloha, ary tsy nampiseho famantarana mahabe-fanantenana hatramin'izao ny fanandramana ankehitriny (raha misy) hamelona indray ny rafitra sy hampiditra aim-bao ao anatin'izany.

Fandinihan'ny Musings of a Naijaman [4] momba ny krismasy any Nizeria [5]

…there's food as well, but it's chicken or goat and rice and moimoi with dodo and salad- Nigerian salad of course, nothing like the wimpy leafy things you get served here when you ask for a salad. I'm talking sardines, corned beef, hardboiled eggs and baked beans – in addition to the usual suspects- the lettuce, carrots,cabbage, tomatoes and onions all laced with a hefty dollop of salad cream…..not exactly what nutritionists have in mind when they sugest salads as healthy alternatives…..

… misy sakafo ihany koa, saingy akoho na osilahy sy vary ary moimoi miaraka amin'ny dodo sy salady – salady nizeriana mazava ho azy, tsy misy zavatra toy ny ravina zava-manitra omena anao aty rehefa mangataka salady ianao. Miresaka trondro am-bifotsy (sardine), henan'omby, atody masaka sy tsaramaso – ankoatra ireo lazaina mahazatra – salady, karaoty, laisoa, voatabia sy tongolobe, afangaro miaraka amin'ny lakiremy salady ….. tsy tena ilay ao an-tsain'ny mpahay momba ny sakafo rehefa manoro-hevitra momba ny salady ara-pahasalamana izy…..

Any Angletera? “Mihinana sy misotro koa ny olona rehetra, miezaka ny hafana hatrany”!

Tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo, nanatontosa ny Fihaonambe momba ny Aterineto 2005 i Nizeria. Gbenga Sesun [6] manome tatitra antsipirihany momba ilay fihaonambe [7], ny tanora sy ny TIC no tena nifantohana.

Chris Uwaje was next, and he spoke on the need for Nigerian youths to become globally competitive. He spoke on the need for young people to chose to strategically focus — with an example of choosing an area of expertise within the IT landscape and focusing on that within 24 months. He also spoke on the need for proper mentorship, hinting that young Nigerians must learn the ropes of Information Technology from the elders..

Chris Uwaje no manaraka, ary niresaka momba ny filàna ho an'ny tanora Nizeriana mba ho lasa afa-mifaninana maneran-tany. Niresaka momba ny filàna ho an'ny tanora mba hifidy ny hifantoka anaty paikady izy – miaraka amin'ny ohatra hifidy sehatra iray ho hay manokana ao amin'ny tontolon'ny teknolojiam-baovao ary mifantoka amin'izany ao anatin'ny 24 volana. Niresaka mikasika ny filàna mpitari-dalana sahaza ihany koa izy, ary milaza fa tsy maintsy mianatra ny tontolon'ny teknolojiam-baovao amin'ny zokiolona ny tanora Nizeriana.

Kayode ao amin'ny Kazey's Journal [8]  manoratra momba ny fivavahana ao Nizeria [9] izay nolazainy fa lasa fombam-pivavahana.

Faiths in Nigeria, be it of the Muslim or Christian origin, is practiced in such an alarming way, and I do think that, it would be a threat to the future of Nigerian’s progress, peace and harmony

Ny finoana ao Nizeria, na izany Miozolomana na Kristiana, dia ampiharina ao anatin'ny fomba mampatahotra, ary heveriko fa mety ho fandrahonana ny ho avin'ny fandrosoana sy ny fandriampahalemana ary ny firindrana Nizeriana.

Maneho ny heviny momba ireo fivavahana isan-karazany mifanditra ho ambony indrindra izy, ary amin'ny tranga sasany, na dia ao amin'ny fivavahana iray ihany aza, dia mifaninana sy mifanameloka ary samy maka fomba fiteny amin'ny afisy ireo vondrona samihafa

Thank God, that in my faith, I am assured of heaven, not by my works but by the work of whom I put my faith in, and that is Christ Jesus. You’re! There is nothing we can do to be righteous, for man is evil by nature but my faith is on that which was sin-less and who bore my sins even before I was conceived and born. What else can I ask for?

Isaorana Andriamanitra fa amin'ny finoako, azo antoka ho any an-danitra aho, fa tsy amin'ny asako fa amin'ny asa izay ametrahako ny finoako, dia i Kristy Jesosy. Ianao! Tsy misy na inona na inona azontsika atao mba hahatonga antsika ho olo-marina, satria ratsy voajanahary ny olona, fa ny finoako kosa dia mipetraka amin'ilay tsy manam-pahotana sy nitondra ny fahotako talohan'ny nanamboarana ahy sy nahaterahako. Inona koa no azoko angatahana?

Thought Line [10] manambara ny fisokafan’ ny fivarotana lehibe indrindra ao Afrika [11], Shoprite ao amin'ny toeram-piantsenana lehibe Palms ao Lekki, Lagos, Nizeria. Io no magazay Afrikana Tatsimo faharoa (Game) misokatra tao anatin'ny herinandro!

Game was born out of the belief by its founders that shopping had become a tedious and boring pastime and they conceptualised retailing as a game and then pooled their limited savings to turn the concept into reality by creating a fun environment for shoppers, who were attended by staff in shocking pink, a corporate colour which has prevailed to this day.

Teraka avy amin'ny finoan'ireo mpanorina azy ny Game fa nanjary fandaniam-potoana mahasorena sy mankaleo ny fandehanana miantsena ka nieritreritra ny hivarotra antsinjarany ho toy ny kilalao izy ireo ary avy eo niara-nametraka ny tahirin'izy ireo voafetra mba hamadika ny hevitra ho tanteraka amin'ny alalan'ny famoronana tontolo iainana mahafinaritra ho an'ny mpiantsena, izay natrehan'ireo mpiasa manao loko mavokely,  lokon'ny vondron'orinasa izay nanjaka hatramin'ny androany.

Manana fanalana andro vaovao sy fanatanjahan-tena mahazatra ankehitriny ny Nizeriana lehibe – dia ny tsenambarotra lehibe – Toa efa faheno!
African Shirts [12] manana hafaliana raha nahare ny fisamborana ilay lehilahy nanao famotsiam-bola  – Alamieyeseigha antsoina ihany koa hoe Tina… [13]

Who says the wheels of justice grind slowly? Let's see him escape Nigeria's jails dressed as a Benedictine monk with three breasts like in Total Recall.

Iza no milaza fa levona tsikelikely ny kodiaran'ny fitsarana? Andeha hojerentsika izy raha afa-mandositra ny fonja ao Nizeria, ka manafi-tava toy ny moanina Benedictin miaraka amin'ny nono telo toy ny ao amin'ny Total Recall.

Mety hisy olona hanao sarimihetsika ve? “Nosamborina i Alamaramalamadingdong”