- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Amadou M. Ba avy ao amin'ny AllAfrica.com

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Lahatsoratra nivoaka tamin’ny volana Oktobra 2009)

Mpiara-manorina sady filohan'ny AllAfrica.com [1], ilay mpanangom-baovao an-tserasera lehibe indrindra sady mpaninjara ny vaovao avy any Afrika Atsimon'i Sahara amin'ny teny Anglisy sy teny Frantsay i Amadou M. Ba. Izy ihany koa no tale mpanatanteraka ny African Media Initiative [2], izay mikendry ny hanome tanjaka ny sehatry ny fampitam-baovao aty Afrika amin'ny alàlan’ny fampivondronana [3] ny tompona seha-pampahalalam-baovao lehibe sy mpandraharahan’ny fampahalalam-baovao lehibe mba hiara-miasa amin'ny fandaharam-pampiofanana, hikatsaka varavarana midanadana ho fampiasam-bola, hiteny hisian'ny politika tsara kokoa, ary hanatsara ny fikarohana amin'ny fampitam-baovao. Mitantara antsika momba ny tantaran'ny AllAfrica.com, ireo fanamby lehibe atrehan'ny mpitondra Afrikana amin'ny sehatry ny fampitam-baovao, ary ny fomba ahafahan'ny mpamatsy vola manohana ny sehatry ny fampahalalam-baovao mavitrika aty Afrika i Amadou.