- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny atao hoe trano LAN

Sokajy: Antsafa, Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Lahatsoratra nivoaka tamin’ny volana Oktobra 2009)

Felipe Vaz no mpandrindra ny Instituto Overmundo [1], izay mampiroborobo ny fidirana amin’ny fahalalahana sy ny fahasamihafana ara-kolontsaina any Brezila amin'ny alàlan'ny fomba amam-panao nohavaozina amin'ny serasera, ny fizakamanana ara-tsaina ary ny teknolojia. Soritsoritan'i Felipe ny “revolisionan'ny trano LAN [2]” (Local Area Networks – tambajotram-paritra ao an-toerana) any Brezila. Tamin'ny voalohany ny trano LAN nitoetra ho tambajotra ao an-toerana andehanan'ny tanora (ny ankamaroany) milalao ireo karazan-kilalao azon'olona maro andraisana anjara tahaka ny World of Warcraft. Vao haingana izy ireo no nampiasa aterineto sy nampiasa ny tambajotra sosialy, ny karajia, ary ny sehatra fikar+ohana asa. Manome ny 50%-n’ny fidirana amin'ny aterineto misy ao amin'ny firenena ireo trano LAN [3] izay tombanana ho 90.000 eo ho eo ireo manerana an'i Brezila. Manao asa tsy ara-dalàna ry zareo: tsy manana fahazoan-dàlana ara-barotra ary tsy mandoa hetra. Maka toerana manohitra ireo trano LAN ireo ny governemanta Breziliana ary nanambara fa mandrisika ny tanora hingitrika ireny. Saingy mihevitra ny hafa, tahaka ilay bilaogera Breziliana Jeimy Remir [4] fa misy fiantraikany miabo na io ho an'ny tompony na ho an’ny mpanjifany ny trano LAN.