- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny zo lazain'ny Fanitsiana voalohany sy ny fampijaliana antserasera

Sokajy: Etazonia, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2010)

Any amin'ny sekoly manerana an'i Amerika, olana hatrany ny fampijaliana antserasera. Nitondra ny olana teo amin'ny adihevitra nasionaly ny tranga momba ilay zatovo tao Missouri namono tena taorian'ny fampijaliana azy antserasera.

Nanangana kaonty hosoka tao amin'ny MySpace i Lori Drew, renim-pianakaviana sy ny zanany vavy ary mpiasa iray ary nanorisory an'i Megan Meier. Namono tena avy eo i Meier, saingy tsy voasazy i Drew.

Ao amin'ny Cnet [1], nanoratra momba izany i Caroline McCarthy

“Judge George Wu overturned Drew's guilty verdict, which was issued in November, saying that if Drew had been convicted of a felony in the case, she would already have been sentenced. But because she was convicted of three misdemeanors–a significantly lighter offense than prosecutors originally sought–the constitutionality of the guilty verdict was less clear.

Drew, a Missouri resident, had been convicted of three misdemeanor counts of “accessing protected computers without authorization to obtain information to inflict emotional distress,” each of which could have resulted in a year of jail and a $100,000 fine. But she hadn't been convicted of conspiracy, a felony that could've led to up to 20 years in prison.”

“Nofoanan'ilay mpitsara George Wu ny didim-pitsarana an'i Drew, izay navoaka tamin'ny volana novambra, ary nilaza fa raha voaheloka noho ny heloka bevava i Drew, dia efa voasazy izy. Saingy noho izy voaheloka noho ny fahadisoana telo – fandikan-dalàna maivana kokoa tsy araka ny nangatahan'ireo mpampanoa lalàna tany am-boalohany – tsy dia mazava loatra ny fandrafetana ilay didim-pitsarana.

Voaheloka noho ny antony telo i Drew, mponina any Missouri: “fidirana amin'ny ordinatera voaaro nefa tsy nahazo alàlana hahazo vaovao mba hanao fampijaliana ara-pihetsehampo”, izay mety hiteraka famonjana herintaona an-tranomaizina sy onitra 100.000 dolara. Saingy tsy voaheloka ho nanao tetidratsy, heloka bevava izay mety hitarika hatramin'ny 20 taona an-tranomaizina izy.”

Maro no naniry an'i Lori Drew mba higadra ary feno fihetseham-po ilay raharaha. Saingy nitarika adihevitra mampifanditra mikasika izay azonao lazaina na atao antserasera sy hoe inona no voaaro ao amin'ny Fanitsiana Voalohany (amin'ny lalampanorenana amerikana) ny zava-misy tamin'ny fanafahana azy .

Vao haingana ny National Coalition Against Censorship [2] no nitatitra ny tranganà fampijaliana antserasera sy ny hoe hatraiza no vitan'ny sekoly mba hifehezana ny lahateny antserasera ataon'ny mpianatra, indrindra raha mitranga ivelan'ny sekoly ilay hetsika.

“Beverly Vista School, a K-8 school in the Beverly Hills Unified School District, learned this lesson via a November 2009 court ruling, where the federal district court for the Central District of California found that administrators at Beverly Vista had likely violated the First Amendment rights of a middle school student referred to in the records as J.C.

The facts in this case arose when J.C., an eighth grade girl, videotaped a group of her friends “talkin’ smack” about their classmate C.C. The video featured this group of kids saying that C.C. was spoiled, and a slut. J.C. then when home and uploaded the video to YouTube, and informed several classmates, including C.C., of the video’s existence.

The next day, C.C. and her mother informed the school of the video’s existence. C.C. also met with a school counselor for no more than half a class period to discuss how she felt humiliated by the video.”

“Nahazo ity lesona ity tamin'ny alàlan'ny didim-pitsarana tamin'ny volana novambra 2009 ny Sekoly Beverly Vista, sekoly hatramin'ny ambaratonga fahavalo (K-8) ao amin'ny Distrikan'i Beverly Hills, izay nahitan'ny fitsarana federaly ao amin'ny distrika Foiben'i California fa mety ho nanitsakitsaka ireo zo lazain'ny Fanitsiana voalohany an'ny mpianatra ambaratonga faharoa voalaza ao amin'ny firaketana an-tsoratra hoe J.C. ny mpitantana ny Beverly Vista

Nitranga ny zava-misy tamin'io raharaha io raha nandrakitra an-dahatsary ireo vondrona namany “mifosafosa” ny mpiara-mianatra amin'izy ireo antsoina hoe C.C ny tovovavy iray kilasy fahavalo J.C. Nampiseho ity vondrona ankizy ity ny lahatsary, izay nilaza fa simba sady makorelina i C.C. Rehefa nody i J.C dia nampiditra ilay horonantsary tao amin'ny Youtube, ary nampahafantatra mpiara-mianatra maromaro momba ny fisian'ilay lahatsary, ka anisan'izany i C.C..

Ny ampitso, nampahafantatra momba izany lahatsary izany tamin'ny sekoly ny reniny sy C.C. Nihaona tamin'ny mpanolotsaina ao an-tsekoly ihany koa i C.C nandritra ny antsasakadiny latsaka tamin'ny fotoam-pianarana mba hiresahana ny fahafaham-baraka tsapany tamin'ilay horonan-tsary. “

Tsy nahazo nianatra nandritra ny roa andro i J.C. Nitory ny distrikan'ny sekoly izy ary nilaza fa nandika ny zony haneho hevitra izy ireo.

Stephen Balkam ao amin'ny First Amendment Center Online [3], miresaka momba ny “Fiarovana ny ankizy no sady miaro ny fahalalaham-pitenenana”, hoy izy

“…..but a handful of tragedies should not be used to quickly push through laws that may punish but not eradicate the problem of cyberbullying.

Lawmakers should proceed cautiously before enacting legislation governing off-campus speech that does not “substantially interfere” with school activities. School districts have the most authority to intervene with cyberbullying when the actions occur on school property or on the school computer network. Currently, some states have adopted laws that criminalize cyberbullying or use school discipline codes to punish students for online behavior occurring off campus and after school time.

States with higher profile cases tend to have more stringent anti-cyberbullying legislation passed in reaction to the publicity of a cyberbullying case. If there is going to be legislation at all, there should be a national definition of the problem and a uniform way to address it. States must be aware that there is potential danger of infringing on free-speech rights of students through current and proposed legislation.”

“….. fa tsy tokony hampiasaina mba hampiharana haingana ny lalàna mety hanasazy fa tsy hanafoana ny olana momba ny fampijaliana antserasera ny tranga vitsivitsy.

Tokony handinika amim-pitandremana ireo mpanao lalàna alohan'ny hamoahana lalàna mifehy ny kabary eny an-tsekoly izay tsy “mitsabaka tanteraka” ny hetsika ataon'ny sekoly. Manana fahefana feno ny distrikan'ny sekoly hiditra an-tsehatra hijery ny fampijaliana antserasera  rehefa mitranga ao amin'ny tranom-pianarana na amin'ny tambajotran'ny ordinatera ao an-tsekoly izany. Amin'izao fotoana izao, nampihatra lalàna manameloka ny fampijaliana antserasera ireo fanjakana sasany na koa mampiasa  fitsipi-pifehezana mba hanasaziana ireo mpianatra amin'ny fitondrantena antserasera atao ivelan'ny sekoly na aorian'ny fotoam-pianarana.

Mitady hampihatra lalàna henjana manohitra ny fampijaliana antserasera ireo firenena ahitana tranga ambony malaza ho setrin'ny  fampielezan-kevitra momba ny raharaha fampijaliana antserasera. Raha ho avy ny lalàna, dia tokony hisy famaritana nasionaly momba ny olana sy ny fomba tokana hamahana azy. Tokony ho tsapan'ny fanjakana fa misy ny loza mety hitranga amin'ny fanitsakitsahana ny zon'ny fahalalaham-pitenenan'ny mpianatra amin'ny alàlan'ny lalàna misy sy atolotra ankehitriny. “

Noho ireo ankizy sy ny zatovo mihamaro hatrany mandany fotoana sy hery be amin'ny fiainany an-tserasera, dia mety hihodikodina eo hatrany ity lohahevitra ity. Ilaina ny fandanjalanjana ny lalàna mba hiarovana ny ankizy antserasera sy ireo zo lazain'ny Fanitsiana Voalohany (amin'ny lalampanorenana amerikana).