Polonina: Nanomboka nibilaogy ny Praiminisitra teo aloha Jarosław Kaczyński 

(Marihina fa tamin'ny volana Febroary 2011 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny 18 Febroary, nanokatra bilaogy tao amin'ny sehatra malaza Salon24Jarosław Kaczyński, mpitarika ny antoko nasionaly mpandala ny mahazatra ho an'ny Lalàna sy ny Rariny.

Kaczynski Blog

Ny famadihana an-tsoratra ny iray tamin'ireo kabary izay nataony ny herinandro vitsivitsy lasa no lahatsorany voalohany izay mitondra ny lohateny hoe “Mendrika ny fitiavan-tanindrazana ara-toekarena maoderina i Polonina sy ny vahoaka Poloney”:

Patriotism means loyalty to your own nation. It's based on the trust in the community whose traditions have shaped the way we live and the institutions that organize our life activities. Given this, we can talk about economic patriotism, but here we see some difficulty. In Poland, the tradition of being wealthy is rather weak and, above all, dramatically discontinuous. So, the Polish patriotism, evaluated from the economic perspective, needs more modernizing characteristics and is associated with loyalty to our nation as a project. A great project – Poland! […]

Midika ho tsy fivadihana amin'ny firenenao ny atao hoe fitiavan-tanindrazana. Mifototra amin'ny fitokisana ny vondrom-piarahamonina izay manana ny fomban-drazana namolavola ny fomba hiainantsika sy ny fikambanana izay mandrindra ny asantsika andavanandro izany. Noho izany, afaka miresaka fitiavan-tanindrazana ara-toekarena isika, saingy mahita olana isika eto. Any Polonina, somary marefo ny fomban-drazana ho mpanan-karena ary, indrindra indrindra, tena tsy mitohy. Noho izany, mila toetra maoderina kokoa ny fitiavan-tanindrazana Poloney, araka ny fomba fijery ara-toekarena ary mifandray amin'ny tsy fivadihana amin'ny firenentsika ho toy ny tetikasa. Tetikasa goavana – Polonina! […]

Niarahaba an'i Jarosław Kaczyński tao amin'ny lahatsorany vao haingana i Igor Janke, lehiben'ny toniandahatsoratry ny sehatra fibilaogiana Salon24 (izay heverina ho toy ny tena elatra havanana):

I am very pleased that Jarosław Kaczyński has decided to join Salon24. He is not an ordinary guest. Warm greetings. The appearance of this blog got many of his enemies and supporters interested. Almost at the same time, [deputy PM Waldemar Pawlak] has returned to blogging. Blog posts from [SLD, the Democratic Left Alliance, and PO, the Civic Platform] MPs have appeared. These are all good signs. Salon24 is supposed to offer diverse opinions. We invite politicians and supporters of all political options.

Tena faly aho fa nanapa-kevitra ny hanatevin-daharana anay ato amin'ny Salon24 i Jarosław Kaczyński. Tsy vahiny toy ny mahazatra izy. Arahaba mafana. Nahaliana ny ankamaroan'ireo fahavalony sy ny mpanohana azy ny fisehon'ity bilaogy ity. Saika tamin'io fotoana io ihany koa no niverenan'ny [Paraiminisitra Lefitra  Waldemar Pawlak ] nibilaogy. Nipoitra tamin'io fotoana io koa ny bilaogin-dahatsoratra avy amin'ny solombavambahoaka [SLD, ny Mpiara-dia Demokratika Elatra Havia, sy ny PO, ny Sehatra Sivily]. Ireo no famantarana tsara rehetra. Tokony hanolotra fomba fijery samihafa ny Salon24. Manasa ireo mpanao politika sy mpanohana avy amin'ny ankolafy politika rehetra izahay.

Koa satria iray amin'ireo mpanao politika lehibe ao Polonina i Jarosław Kaczyński, ary raha jerena ny tsangan-keviny mampiady hevitra, sy ny fahatongavan'ny tsingerintaona voalohany nahafatesan'ny rahalahiny, ary ny fifidianana parlemantera ny Oktobra 2011 dia mety ho lasa feo tena manan-danja ho an'i Polonina ity bilaogy ity. Hanome fahafahana ho an'ireo bilaogera hafa hanomboka ny resadresaka izany na farafaharatsiny haneho hevitra ao anatin'ny tontolon'ny bilaogy momba ny hevitr'i Kaczyński. Nanao tsirambina ny fifandraisana tahaka izany izy teo aloha ary noheverina ho fahavalon'ny mpisera aterineto, izay niteraka adihevitra miiba betsaka ho azy.

Lahatsoratra iray ihany hatreto no navoakan'i Kaczyński , saingy niteraka fanehoan-kevitra maherin'ny 1.650 izany tao anatin'ny roa andro monja (amin'ny ampahany noho ny zava-nisy fa nalain'ny fampahalalam-baovao mahazatra sy ny fahitalavitra ilay tantara). Indreto misy ohatra sasantsasany izay mampiseho ny habetsahan'ny fihetseham-po manodidina ity bilaogera vaovao ity.

“Vehivavy amin'ny ankapobeny”:

I am really happy that I can say how much I admire your determination and strength, and also your normal, human kindness.

Tena faly aho fa afaka milaza ny fankafizako ny fanapaha-kevitrao sy ny herinao, ary ny hatsaram-panahinao mahazatra amin'ny maha-olombelona.

Kendzior67:

With all due respect to Mr. Kaczyński, but it is going to be like with the [head of our social insurance office] and his blog – he is not responding to comments either.

Amin'ny fanajana tanteraka an'Atoa Kaczyński, kanefa toy ny an'ny [lehiben'ny biraom-piantohana ara-tsosialy] sy ny bilaoginy ihany izany- tsy mamaly ny fanehoan-kevitra akory izy.

Blachara:

I suggest that you start with learning the [national] anthem.

Manoro hevitra anao aho mba hanomboka izany amin'ny fianarana ny hiram-pirenena .

Zap30:

Mr Jarek, this post is one big pre-election propaganda. You are not saying anything detailed. […]

Atoa Jarek, fampielezan-kevitra lehibe mialoha ny fifidianana ity lahatsoratra ity dia. Tsy milaza zavatra amin'ny antsipiriany ianao. […]

Anna M.:

Mr. [Kaczyński], please be here as often as you can and prove your critics wrong. I am honoured to meet you “online” and exchange views on important topics

Atoa [Kaczyński], miangavy anao mba ho eto matetika araka izay tratranao ary mba hanaporofo fa diso ireo mpitsikera anao. Voninahitra ho ahy ny mihaona aminao “an-tserasera” sy mifanakalo fomba fijery momba ny lohahevitra manan-danja

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.