
Voninkazo sy vavaka avy amin'ny mpandalo manoloana ny varavaran'ilay trano fisotroana kafe izay nahitana ny mpiasa roa maty nandritra ny trangana tifitra tamin'ny misasakalina . Saripikan'ny The Good Cup Coffee, nahazoana alalana.
Tamin'ny alin'ny 11 Aprily 2019, nisy lehilahy iray nitondra fitaovam-piadiana niditra tao amin'ny orinasa “The Good Cup Coffee ” tany an-tanandehiben'i Cebu- nahafatesana olona roa ary naharatrana mafy olona roa hafa. Raha nisaona ireo niharam-boina tamin'ny fanafihana ny namana sy ny fianakaviana dia maro no nanome tsiny ny governemantan'ny filoha Duterte noho ny famoronana ny rivo-piainana izay manazatra ny herisetra sy ny famonoana olona.
Toy ny alina mahazatra rehetra ity alina ity ho an'ireo tanora matihanina sady mpianatra eny amin'ny oniversite tao amin'ny faritry ny tanàndehiben'i Cebu. Teo am-panakatonana ny fivarotana ry John Michael Hermoso, 29 taona mpiara-mitantana sady mpandroso kafe, ry Kis Tryvl Ramos mpianatra 21 taona, ary ireo mpiasa antsoina hoe Sherwin Dean Rivera sy Jerome Amada fotoana fohy talohan'ny misasakalina raha nisy lehilahy iray nitondra fitaovam-piadiana niditra ary nitifitra azy ireo.
Nandositra haingana tamin'ny môtô izay efa niandry azy tany ivelany ilay mitam-piadiana. Maty tsy tra-drano i John Michael raha namoy ny ainy kosa i Kis raha vao tonga tany amin'ny Hopitaly Velez. Mbola atahorana ny ain'i Sherwin sy i Jerome .
Nanohy “nikaroka ny mety ho porofo rehetra” ny polisy mba hametrahana ny antony nahatonga ny tifitra.
Efa tsy maha-taitra intsony ny vono olona
Misy ireo feo manakiana, toy ny an'ilay Profesora Henry Francis B. Espiritu ao amin'ny Oniversiten'i Filipina-Cebu (UP-Cebu), izay mitana ny governemantan'i Duterte ho tompon'andraikitra voalohany amin'ny firongatry ny famonoana olona ao Cebu sy any amin'ireo faritra hafa any Filipina :
We hold the statements and pronouncements of this tyrannical regime and the politics of death pursued by this present regime responsible for making possible the bloodshed, murderous crimes, and the normalization of killing in our benighted country.
Mitana ireo fanambarana sy ny filazana nataon'ity fitondrana jadona ity sy ny politikan'ny fanenjehana mpamono olona avy amin'ity fitondrana ankehitriny ity ho tompon'andraikitra amin'ny fisian'ny fandatsahan-drà, ny famonoana olona, ary ny fanazarana ny famonoana olona eto amin'ny firenenay anatin'ny haizina ity izahay.
Nampifandray izany tamin'ny fanjakan'ny kolontsain'ny famonoana olona sy ny tsimatimanota eo ambany fitondran'i Duterte ny Sendikan'ny Tonia ao amin'ny Oniversite ao Filipina (CEGP), izay misy an'i Kis ho mpikambana amin'ny maha-mpianatra mpanao gazety azy:
The full details remain unclear, but what does remain clear is that this culture of killing and impunity has emboldened murderers to openly boast of their weapons and shoot people. The rotten system of society that allows this to occur has never been remedied.
Tsy mbola fantatra mazava ny antsipiriany feno, saingy ny hany fantatra dia ny hoe nanosika ireo mpamono olona hirehareha amin'ny basiny ampahibemaso ary hitifitra olona io kolontsain'ny famonoana olona sy ny tsimatimanota io. Tsy mbola tafarina ny rafitra maimbon'ny fiarahamonina izay mamela izany hitranga.
Raha nandresy tamin'ny sehatra miady amin'ny heloka bevava ny filoha Rodrigo Duterte izay nampanantena ny fiantohana ny fandriampahalemana sy ny filaminana dia maro ankehitriny no mitaraina amin'ny fomba fakana ain'olona ho lasa mahazatra ao Cebu sy any amin'ny faritra sisa ao amin'ny firenena.
Nitanisa ny Visayas afovoany (izay ahitana ny Tanandehiben'i Cebu ho renivohi-paritra) ny Komity Miaro ny Zon'olombelona (CHR) ho laharana fahaefatra amin'ny tahan'ny famonoana olona avo indrindra mifandraika amin'ny fanentanan'i Duterte manohitra ny zava-mahadomelina.
Ho fahatsiarovana
Mpianatra mpitarika sady mpianatra mpanoratra ho an'ny gazetin'ny tobin'ny Oniversite Tug-ani i Kis ary tokony hahazo ny mari-pahaizana voalohany ao amin'ny UP-Cebu momba ny psikolojia amin'ity volana Jona 2019 ity.
Tokony handray anjara amin'ny fifaninanana iraisam-pirenena amin'ny fandrosoana kafe i John Michael, iray amin'ireo mpiara-miombon'antoka mpiandraikitra ilay toeram-pisotroana kafe taorian'ny nahazoany ny Amboaran'ny Mpanamboatra Labiera tao Filipina tamin'ny volana Martsa 2019.
Nandrehitra labozia iray andro ny mpianatra, ny oniversite, ny akademika ao amin'ny UP Cebu taorian'ilay zava-nitranga ary nanao fanentanana hanangonam-bola ho an'ny fianakavian'ireo niharam-boina.
Miantso ho amin'ny rariny sy ny vavaka ho an'ireo niharam-boina ny fanambaràn'ny orinasa Good Cup Coffee manoloana ny tifitra ary nozaraina betsaka tao amin'ny tambajotra sosialy izany. Nakatona vonjimaika ilay fivarotana raha toa ka napetraka manoloana ny varavaran'ny fivarotana ny afisy izay hanoloran'ny mpandalo voninkazo sy vavaka ho fahatsiarovana an'i Kis sy i John Michael.
who never failed to craft the best coffee for the people in this Ramos neighborhood especially to us medical students that help us cope in keeping us awake to study those sleepless nights. Rest easy sir and mam. JUSTICE for John Hermoso & Kis Ramos.
— Renzo DR (@renzodelro) April 11, 2019
izay tsy mbola nitsahatra nanao ny kafe tsara indrindra ho an'ny mponina tao amin'io faritra manodidina an'i Ramos io, indrindra ho anay mpianatra mpitsabo nanampy anay hiari-tory hianatra mandritra ireo alina tsy mahalala sasatra. Mandria ampiadanana ramose sy ry reny. RARINY ho an'i John Hermoso sy Kis Ramos.
I stalked Kis Ramos’ last tweets and it saddens me how she had no idea that her life will be stolen from her. We’re not that close but I know that she was bound to reach places. I hope that justice will be served for her and her workmates. #EndViolence pic.twitter.com/PdQ1Q9WvNf
— Odyssey ? (@ohhthesea) April 12, 2019
Nanaraka ny sioka farany nataon'i Kis Ramos aho ary nampalahelo ahy ny tsy fahafantarany fa halaina aminy ny ainy. Tsy mahafantatra azy akaiky aho saingy fantatro kosa fa misy toerana tokony halehany. Manantena aho fa hisy ny fitsarana marina homena azy sy ny mpiara-miasa aminy.
Rindiendo homenaje a la vida de John Michael Hermoso, Campeón 2019 del Brewers Cup Champion Filipinas https://t.co/BZuvH9a36C
— Ricardo Jordison (@RicardoJordiso) April 11, 2019
Ho fanomezam-boninahitra ny fiainan'i John Michael Hermoso, Tompondaka 2019 tamin'ny Amboaran'ny Mpanamboatra Labiera teto Filipina .
Tanda ko pang isa si Kis sa mga nakapalagayan ko ng loob habang puyat kaming nagko-cover ng GASC sa Iloilo, taong 2018. Ang bilis. Hindi katanggap-tanggap ang sinapit niya/nila!
HUSTISYA PARA KAY KIS RAMOS! Hustisya para sa mga manggagawa ng The Good Coffee Company!
— shane cea (@shernielyncdc) April 11, 2019
Tsaroako fa i Kis no iray tamin'ireo izay nizarako ny fihetseham-poko nandritra ny fotoana niaretanay tory nitatitra ny Fihaonambe Ankapobeny nataon'ny Filankevitry ny Mpianatra tao Iloilo tamin'ny taona 2018. Vetivety ny zava-mitranga. Tsy azo ekena ny zavatra nanjo azy sy ny mpiara-miasa taminy! Rariny ho an'i Kis Ramos! Rariny ho an'ny mpiasa ao amin'ny orinasa The Good Coffee !
Kanang kadaghan namo nagmake ug [When you have made many] statements expressing rage and dissent against killings but this time it involves an org mate and a friend. It's really painful 🙁
Justice for Kis Ramos!
Justice for The Good Cup Coffee Company!
Stop the Killings!— trisch ⚡ #22Colmenares #42KabataanPartylist (@trischure) April 11, 2019
[Raha nanao fanambarana maro] ianao maneho fahatezerana sy fanoherana manohitra ny vono olona saingy nahitana mpiara-miasa sy namana izany tamin'ity indray mitoraka ity. Tena mampalahelo izany 🙁
Rariny ho an'i Kis Ramos!
Rariny ho an'ny orinasa The Good Cup Coffee!
Atsaharo ny famonoana olona!
Nizara ny momba azy ny iray tamin'ireo mpampianatra an'i Kis tao amin'ny UP Cebu, Dr. Phoebe Zoe Maria Sanchez:
Ang among Kis Tryvl Ramos maayo ug buotan ang pagpadako. Abante si Kis sa panghuna-huna ug ang iyang dedikasyon sa pagtoon dili alang sa kaugalingon lamang kung di nagtan-aw usab sa kinatibuk-ang katilingban. Dili siya sama sa uban nga walay alamag sa katilingbanong kaakuhan bisan pa man sa tag-as nilang propesyon. Mabungahon ang mga yugto nga kauban si Kis sa klase sa Kasaysayan, sa Sosyolohiya ug sa Antropolohiya.
Tsara taiza i Kis Tryvl Ramos. Matsilo tamin'ny fisainana i Kis ary tsy ho azy irery ihany ny fanoloran-tenany ho an'ny fianarana fa mikendry ny fiarahamonina midadasika kokoa ihany koa. Tsy toy ireo hafa izay tsy nahalala ny fifandraisana amin'ny fiarahamonina izy na dia teo aza ny asany ambony. Tena namokatra ny fotoana niarahana tamin'i Kis tao amin'ny kilasinay momba ny tantara, ny sosiolojia ary ny anthropolojia.