- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny bilaogin'ny vehivavy Afrikana – nov 2005

Sokajy: Afrika Mainty, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2005)

Miverina i Mama JunkYard [1] izay niato kely tao amin'ny bilaoginy [2] ary leon'ny fampiasana sary sy teny manjavozavo sy diso ary tsy dia manohintohina mba hanadiovana ny [3]vatan [3]a sy ny fandaharana momba ny vehivavy [3]rehefa ampiasaina ny teny toy ny ‘vokatra fidiovana ho an'ny vehivavy’ mba hilazalazana ny servieta sy ny salaka na rehefa ampiasaina amin'ny dokambarotra amin'ny fahitalavitra momba ny servieta ny rano mangamanga. Manontany tena izy hoe nahoana no izany ary mieritreritra fa ny tanjona dia ny: ‘hivarotra vokatra ho antsika ary tsy misy fikarohana mikasika ny zava-dratsy amin'ilay vokatra”.

Manoratra momba ny fitiavany ireo fomba fiteny mahazatra amin'ny teny Anglisy ihany koa i Mama Junkyard rehefa mitanisa izay ankafiziny toy ny hoe ‘let's be ‘avin’ u’ [4] avy any Yorkshire izay midika hoe ‘andao handeha’ fa tsy ‘fihaikana hiady na zavatra mora entina’ tahaka ny nieritreretana azy.

Rehefa nofaritan'ilay bilaogera hoe vehivavy Afro-Frantsay [5], izay nahatsikaritra ny lahatsoratra nosoratany momba ny toe-draharaha misy any Frantsa, dia nanoratra momba ny fialamboliny sy ny fahagagany i Black Looks [6]  no sady manontany raha nijery be loatra ny sarimihetsika Pam Grier nalefa indray ilay bilaogera, manontany ny amin'ny ilàna ny fampiasana ny teny hoe ‘chick (vehivavy)’ mba hilazàna ny vehivavy izy.

Nanoratra i Bronwyn [7] mba hilaza fa nahita fitiavana vaovao – fiara haingam-pandeha – izay mahagaga azy satria iray tamin'ireo olona izay nieritreritra izy fa nankaleo ny mijery fiara mihodinkodina mandritra ny ora maro [8] saingy mahita izy ankehitriny fa mampientanentana ny fifaninanana mitondra fiara.

One African Woman [9] manoritsoritra tovolahy iray mampitolagaga sy manome aingam-panahy izay nihaona taminy vao haingana ary miasa miaraka amin'ny tanora hafa ao amin'ny faribohitry ny mahantra ao Nairobi ary nilaza izy fa mampahatsiahy azy ny tonga lafatra tamin'ny fahatanorany sy izy efa lasa reraka  [10]ny fientanentana sy ny hafanam-pon'ilay tovolahy

Manantena i Molara Wood [11] fa tsy ho lavina amin'ilay mpanoratra Atukwei Okai [12] izay tsy afaka nandray anjara tamin'ny hetsika fahatsiarovana an'i Ken Saro-Wiwa natao tany Londra tamin'ny herinandro lasa ny “visa,” tahaka ny tranga nahazo ireo mpanoratra Afrikana maro tonga tao Angletera noho ny hetsika manokana. Manome ohatra roa izy rehefa nitranga ny toy izany.

Kenyan Pundit [13] mitatitra momba ny fifosana farany talohan'ny Referandaoma momba ny lalàmpanorenana Kenyana  [14]ary nilaza fa ny tena farany dia mandeha amin-tahotra tanteraka ny fanentanan'ny Eny [15] ka miezaka ry zareo eny amin'ny fitsarana mba hanakanana ny fitsapa-kevi-bahoaka.

Raha manome ohatra iray momba ny fomba fiasan'ny patriarika, mamaritra karazana lehilahy iray manokana i AfroFeminista [16], lehilahy izay feno avonavona, manabontsina tratra [17] hanatona vehivavy tsy misy ifandraisana aminy ary antenainy fa ho babon'ny fisarihany tsy an-tsitrapo, sy ny nataon'ny fizàran'ny vehivavy ny fiaraha-monina mba hanekena izany fihetsika izany.

Manana ankamantatra [18] ao amin'ny blaoginy, Understanding Prejudice [19] i Afromusing,  [20]izay nandramako ary nahatonga ahy ho sanganehana be tahaka azy sy ny olona hafa izay efa nanao ny ankamantatra ny vokatra.