- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny tontolon'ny bilaogy Nizeriana novambra 2005

Sokajy: Afrika Mainty, Nizeria, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2005)

Gbenga Sesan [1] manohy ny tatitra avy any Tunis amin'ny “Nahazo ny tsiron'ny Nollywood tany Tunis izahay omaly” [2]. Nosakanana tsy hiditra amin'ny hotely izay toerana nanaovana ny fivorian'ny Fikambanan'ny Vehivavy Demaokraty Toniziana ao Tonizia (ATFD) i Gbenga sy ny vondrony.

It was unbelievable and quite interesting! I would have tried to take a picture or two but my battery was flat (actually, truth is I wasn’t sure it was smart to try taking a picture at that time

Tsy mampino sady mahaliana! Niezaka naka sary iray na roa aho saingy lany ny baterian'ny fakàn-tsariko (raha ny marina, dia tsy azoko antoka raha mety ny niezaka naka sary tamin'izany fotoana izany.

Jereo ny lahatsoratr'i Ethan Zuckerman’ “Enroute to WSIS” [3] raha hijery bebe kokoa momba ny fiarovana Toniziana.

Naijablog [4] mandinika ny sarimihetsika, The Constant Gardener [5] ary mahita fa mizaka ny tsy fahombiazana mahazatra eo amin'ireo sarimihetsika momba ny olona fotsy hoditra any Afrika izany sarimihetsika izany

the black characters are all incidental bit parts. The only major black character's role (a doctor friend of Weisz’ character) smacks of being woven into the film to avoid having a completely obvious white-foreground, black-background bifurcation. All we see of African Nairboi is a Kibera-esque slum with corrugated roofs into the distance and thousands of kids everywhere. Ultimately, Kenyans are represented as having no agency or any form of resistance to corporate power. The film is therefore racist, with that subtle brand of racism the British excel at

Ampahany kely ireo mpilalao mainty hoditra. Ny hany anjara asan'ny mpilalao mainty hoditra (namana dokotera, milalao an'i Weisz) dia toa aseho ao anatin'ny sarimihetsika mba hisorohana ny fiviliana miharihary tanteraka amin'ny tontolon'ny fotsy. Ny hitantsika amin'ny African Nairboi dia faribohitra mahantra endrika Kibera ahitana tafo fanitso eny lavitra sy ankizy an'arivony eny rehetra eny. Farany, aseho toy ny tsy manana masoivoho na tsy manana karazana fanoherana ny fahefan'ny orinasa goavana ny Kenyana. Mpanavakava-bolonkoditra araka izany ilay sarimihetsika, amin'ny marika maranitra fanavakavaham-bolonkoditra talentan'ny Britanika.

Nigerian Times [6] miarahaba an'i Ellen Johnson-Sirleaf [7] tamin'ny fandresena tamin'ny fifidianana Liberiana

Nigerian Times rejoices with Lady Ellen Johnson-Sirleaf for making history as the first female head of state in modern Africa. She is the beginning of a new era in the political history of Liberia and the rest of Africa.

Mifaly miaraka amin'ny Lady Ellen Johnson-Sirleaf ny Nigerian Times noho ny fametrahana tantara ho vehivavy voalohany filoham-pirenena ao Afrika maoderina. Izy no fanombohan'ny vanim-potoana vaovao eo amin'ny tantara politika ao Liberia sy ny sisa eto Afrika.

Nanavoitra anefa i Nubian Soul [8] fa tsy i Ellen Johnson-Sirleaf no vehivavy Afrikana voalohany nitondra ny fireneny.

Ruth Sando Fahnbulleh Perry (Ruth Perry) [9]was leader of Liberia from 3 September 1996 until 2 August 1997 as chairwoman of the Council of State, which governed Liberia following the overthrow and murder of former dictator Samuel K. Doe

Ruth Sando Fahnbulleh Perry (Ruth Perry) [9]no filohan'i Liberia nanomboka ny 3 Septambra 1996 hatramin'ny 2 Aogositra 1997 amin'ny maha vehivavy filohan'ny filakevi-panjakana azy, izay nitantana an'i Liberia taorian'ny fionganana sy ny famonoana ilay mpanao didy jadona teo aloha Samuel K. Doe

CyBlug [10] mitatitra momba ny didim-pitsarana “mana-tantara” milaza fa hitsahatra ny etona mandoro ao amin'ny Vinanin'i Nizera [11].

“For the first time, a court of competence has boldly declared that Shell, Chevron, and the other oil corporations have been engaged in illegal activities here for decades,” declared Rev. Nnimmo Bassey, executive director of Environmental Rights Action (ERA), the Nigerian chapter of Friends of the Earth International (FoEI), which backed the lawsuit.

“Sambany nisy fitsarana mahefa nanambara tamim-pahasahiana fa niditra tamin'ny asa tsy ara-dalàna teto am-polony taona ny Shell, Chevron ary ireo orinasa hafa momba ny solika”, hoy ny Rev. Nnimmo Bassey, tale mpanatanteraka ao amin'ny Environmental Rights Action (ERA), sampan'ny Friends of the Earth International (FoEI) ao Nizeria, izay nanohana ny fitoriana.

Mahaliana ny mahita hoe firy taona no ilaina mba hanajana ity didim-pitsrana ity. Nilaza ny Shell Develoment Petroleum Corporation (SPDC) fa  hampakatra ny didim-pitsarana izy [12].

Chippla's Weblog [13] mamaly ireo mitaky amin'ny filoha Obasanjo hirotsaka hofidiana fanintelony  [14] – izay mitaky fanovana ao amin'ny lalàmpanorenan'i Nizeria.

“why does a nation have a constitution if it would not be respected? Such a nation might just as well pretend to be a jungle and let the laws of nature dictate the pace of its activities……..The very fact that there are voices in the Nigerian political class calling for Mr. Obasanjo to extend his tenure beyond 2007 shows how disoriented and visionless a part of that country's polity is. I mean, a constitution exists which clearly states that a Nigerian president can serve a maximum of two four-year terms.

“Nahoana ny firenena iray no manana lalàmpanorenana kanefa tsy hajaina izany? Mety te-hiseho ho ala mikitroka ny firenena toy izany ary mamela ny lalànan'ny natiora handidy ny hetsika ataony …….. Ny tena zava-misy hoe misy feo ao amin'ny kilasy politika Nizeriana mangataka amin'Atoa Obasanjo mba hanitatra ny fe-potoam-piasany hihoatra ny taona 2007 dia mampiseho fa tsy manana vina sy zotra ny ampahany amin'ny politikan'ity firenena ity. Ny tiako lazaina, dia misy ny lalàmpanorenena izay milaza mazava fa afaka miasa amin'ny fe-potoana efa-taona indroa farafahabetsany ny filoha Nizeriana.

Trae Days [15] mampahafantatra antsika ny bilaoginy vaovao Traedays.com [16] sy ny tenany “Miarahaba, tongasoa eto amiko amin'ny lafiny aterineto.” Nomeko anarana TRAE (fanombohan'ny anarako raha ny tena marina). Afaka miantso ahy hoe trae_z koa ianao satria izany no anaran-tseraserako amin'ny tranonkala maro nisoratako anarana. 22 taona aho ary avy any Abuja, Nizeria “.

Ary tahaka izany koa no nataon'i Kayode ao amin'ny Kazey Journal [17]. “Resadresaka amin'ny tenany. Fantaro i Kayode Muyibi” [18].