Ry Vaomiera Eoropeana ô: Aza avela hampiasa ny tahirinay mba hanodikodinana vato ireo antoko politika ireo

“Propagandy” nataon'i Pawel Kuczynski. Sary nampiasaina niaraka tamin'ny fanomezan-dàlan'ilay mpanakanto.
Ity lahatsoratra fanehoan-kevitra ity dia nosoratan'i Valentina Pavel, sakaizan'i Mozilla ao amin'ny Privacy International ary mpikambana ao amin'ny Fikambanana ho an'ny Teknolojia sy Aterineto, monina any Romania. Tsy maneho ny hevitry ny Global Voices ny hevitra amin'ny lahatsoratra.
Rehefa nipoaka ny vaovao fa nanangona lahatahiry manokan'ny mpiserasera Facebook an-tapitrisany ny Cambridge Analytica — ary avy eo nampiasa izany lahatahiry izany mba hampirona fifidianana — dia haingana avy hatrany ny voka-dratsiny. Nanakatom-baravarana ilay orinasam-pitrandrahana tahiry any Angletera, niatrika fanadihadiana iraisampirenena ny Facebook, ary nahafantatra ny olona manerana izao tontolo izao ny fahamoràn'ny fanaovana fijirihana ao amin'ny fifidianana demaokratika amin'ny alalan'ny fanararaotana ny lahatahiry manokan'ny mpifidy.
Nandritra ny fotoana nipoahan'ity tantara ratsy ity, mieritreritra ianao fa nampiasa ireo fitaovana rehetra teo am-pelatanany ny demaokrasia any Eoropa- anisan'izany ny Fandrindrana Ankapobeny Fiarovana Lahatahiry (GDPR amin'ny teny Anglisy) – mba hisorohana ny fanaovana fahadisoana tahaka izany amin'ny ho avy.
Saingy manome “fanalefahana” sasantsasany momba ny fampidirana azy tao amin'ny lalàna nasionaly ny Fandrindrana, mamela ireo Firenena Mpikambana hampiditra ny sasany amin'ny fitsipiny manokana. Amin'ny toe-javatra sasany, raha tokony hiaro ny zon'ny tsirairay, dia mametra ny fahalalahana maneho hevitra, manimba ny tsiambaratelo, ary manome vahana ny fanapariahana vaovao diso ireo fiavahana ireo. Ny tsy fahampian'ny fanamafisana ny fampiharana ny fitsipika GDPR no mety hitarika amin'ny fahasamihafana eo amin'ny sehatry ny fiarovana ny angon-drakitra (lahatahiry) manokana ao anatin'ny firenena mpikambana, ao anatin'izany rehefa fifidianana.
Ny GDPR, izay nanan-kery tamin'ny volana mey 2018, dia mametraka andianà fitsipika iraisan'ny Vondrona Eoropeana momba ny fanangonana, fikarakarana ary fitehirizana ny angon-drakitra (lahatahiry) manokan'ny olona.
Ankoatra ireo fepetra hafa, amin'ny ankapobeny ny fitsipika dia mitaky amin'ireo orinasa sy fikambanana tsy miankina mba hahazo ny fankatoavan'ny tsirairay alohan'ny hanangonana ny tahirin'izy ireo manokana (toy ny anarana, mailaka, laharana an-tariby sy ny vaovao manokana hafa sy ny fifandraisana). Manatsara ny zon'ny vahoaka ihany koa ny GDPR, ahafahan'ny olom-pirenena mangataka ny kopian'ny lahatahirin'izy ireo.
Na dia Fitsipika Fandrindràn'ny Vondrona Eoropeana aza ny GDPR, dia azon'ny governemanta nasionaly ny mampiditra ny sasany amin'ireo fehezan-dalànany manokana ao amin'ny lalànam-pireneny, manokatra lalana ho fanavahana ny sasany ho an'ireo antoko politika izay voalaza eto.
Ohatra, any Romania, nampiditra fanavahana izay mamela ireo antoko politika sy fikambanana hijery ny lahatahiry manokana tsy misy fankatoavana ary tsy misy fepetra fiarovana amin'ny fanararaotana mety misy ireo mpanao lalàna, ka mamorona karazana “wild west” (andrefana tsy voafehy) amin'ny tahiry manokana. Ohatra, nanomboka nanolotra vaovao momba ny zokiolona any amin'ireo antoko politika ny biraon'ny paositra nasionaly, sampan-draharaham-panjakana, ??ka nahafahan'ny antoko politika mikendry azy ireo amin'ny vaovao manokana mandritra ny fampielezan-kevi-pifidianana.
Ireo mpanao lalàna Romainina koa nametraka fetra tafahoatra momba ny fampiasana ny angon-drakitra manokana ho an'ny tanjona fanaovan-gazety, tamin'ny hetsika izay mety hitsabaka ny asa fanaovan-gazety fanadihadiana ary manakana ny famoahana izay mahaliana ny vahoaka.
Mbola ho hitantsika ny fiantraikan'ity fanavahana mametraka olana ity. Saingy talohan'ny nampidirana io fanavahana io, dia nampiseho ireo manampahefana misahana ny fiarovana lahatahiry fa afaka mampiasa ny GDPR ho fitaovana hampanginana ny media izy ireo.
Tamin'ny raharaha RISE Project, nanatona mpanao gazety nitatitra ny mety ho fifandraisan'ny mpanao politika iray tamin'ny orinasa mpanao hosoka ny manampahefana Romainina misahana ny Fiarovana lahatahiry. Nangataka tamin'ireo mpanao gazety ny manampahefana mba hanome ny vaovao momba ny loharanom-baovaon'izy ireo ary nandrahona azy ireo tamin'ny fandoavana lamandy goavana. Nisy araka izany ny fitarainana napetraka tany amin'ny Vaomiera Eoropeana, saingy tsy nisy fepetra noraisina.
Fitsipika mitovy any amin'ireo firenena hafa
Tsy i Romania irery ihany no firenena Vondrona Eoropeana ahitana antoko politika tsy dia voafetra loatra amin'ny fitantanana lahatahiry manokana. Any Espaina, mamela ny antoko politika hanangona ny mombamomba ny daholobe avy amin'ny loharanom-bahoaka toy ny tranonkala sy ny media sosialy ny lalàna. Nolazaina tamin'ny Vaomiera Eoropeana nanomboka tamin'ny volana Novambra lasa teo izany fanavahana miteraka olana izany, saingy enimbolana taty aoriana, mbola tsy nisy fepetra mivaingana noraisin'ny sampan'ny vondrona Eoropeana.
Natao tamin'ny faran'ny volana Aprily ny fifidianana tao an-toerana, tao Espaina ary handeha hadatsa-bato amin'ny fifidianana Eoropeana indray ny mpifidy amin'ny faran'ny volana Mey. Nampiseho ny fikarohana nataon'ny Privacy International fa misy ny fanontaniana raha mifanaraka amin'ny fepetra napetraky ny manampahefana Espaniola momba ny fiarovana Tahiry ny fampiasan'ny antoko politika ny angon-drakitra manokana.
Any Angletera, mbola omen'ny lalàna alalana ny antoko politika hijery ny angon-drakitra manokana mampiseho hevitra politika tsy mila fankatoavan'ny mpiserasera. Fantatsika ny maha-saropady izany – na dia talohan'ny Cambridge Analytica aza, nisy ny Diarin'i Emma, ??bilaogy iray momba ny fikarakarana zazakely izay nivarotra ny tahiry manokan'ny olona maherin'ny iray tapitrisa tamin'ny antoko politika. Izany no antony, na dia eo aza ny fepetra voalazan'ny lalàna ao Angletera, mahatonga ireo antoko politika namporisihana hanolo-tena ampahibemaso tsy hampiasa ny fanavahana omen'ny lalàna mba hikendrena mpifidy.
Inona no dikan'ireo fanavahana ireo amin'ny olom-pirenena?
Mety mitondra mankany amin'ireto toe-javatra manaraka ireto ireo fanavahana mampisy fanararaotana lahatahiry manokana efa nitranga teo aloha :
Fanodikodinan-doha mpifidy bebe kokoa: Manaiky ny fomba amam-panaon'ny Cambridge Analytica amin'ny ankapobeny ny fanavahana ao Romania. Vokatr'izany, dia afaka mamoaka dokambarotra na filazana mamitaka izay manararaotra ny fanahiana manokan'ireo mpiserasera ny antoko politika, ary mampirona azy ireo hifidy (na manohitra) kandidà sasany. Hitantsika manerana izao tontolo izao ny anjara asa tafahoatra vitan'ny vaovao diso antserasera mandritra ‘ny fifidianana tao anatin'ny taona vitsy farany. Tokony nahafahan'ireo mpandrindra (mpanao lalàna) mba hiditra an-tsehatra sy hisoroka fanitsakitsahana bebe kokoa tsy hitranga intsony ireo fahadisoana tamin'ny lasa ireo, saingy mbola tsy nisy izany.
Fandrahonana ny fiarovana sy ny fiainana antakonan'ny olona: Raha misy antoko politika na mpanao dokambarotra manana ny lahatahiry momba anao manokana, raha azo tamin'ny fijirihana izy ireo, dia [voajirika] toy izany koa ianao. Amin'ny famelana ireo vondrona ireo hanangona sy hitahiry angona manokana marobe tsy misy fiarovana, dia ho lasa marefo eo amin'ny fiporitsahan'ny tahiry sy izay voina ara-piarovana ireo Eoropeana an-tapitrisany.
Tsy ampy ny fahazoan-torohay: Amin'ny tontolon'ny fanarahamaso tsy tapaka izay ahitàna hafatra manokana azo hikendrena mpifidy, mety ho sarotra ny fampivelarana hevitra nahazo tokoa izay tokony ho fantatra. Ahoana no ahafahanao mihevitra amim-pandinihana lalina ny ampahany kely sy sombintsombiny amin'ny tantara fotsiny no azonao ary mahazo hafatra izay natao ho anao manokana ianao? Ahoana no mbola hisian'ny fifanakalozan-kevitra afaka sy mahafanta-javatra?
Tsy mbola nisy fotoana tena manan-danja nampiharana ny fiarovana ny angon-drakitra: Nahatratra haavo vaovao ny fandisoam-baovao, ary afaka herinandro vitsy ny fifidianana parlemantera ao amin'ny vondrona Eoropeana. Tena zava-dehibe ny mamaha ny olana avelan'ireo fanavahana mampidi-doza ireo alohan'ny fifidianana ary alohan'ny hamitana fahapotehana.
Amin'ny 26 May, tokony hanery ny kandidà parlemantera hametraka ny fiainana antakonana ho ambony eo amin'ny paikadiny sy hiaro ny fombafomba demaokratika ireo mpifidy ao amin'ny Vondrona Eoropeana. Aorian'ny fifidianana, rehefa voatendry ny Vaomiera Eoropeana vaovao, tokony hangataka azy ireo mba hampihatra mafy ny GDPR sy ny fiarovana ny fiainana antakonana ny mpifidy.
Mety hamparefo ny demaokrasiantsika ny fepetra fitantanana tahiry ho an'ny antoko politika. Tsy maintsy manao ny asany ny Vaomiera Eoropeana amin'ny fiantohana fa mihatra manerana an'i Eoropa ny fitsipika GDPR ary voaaro ny lahatahirin'ny tsirairay.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...