- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Belarosia Hafa

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Belarosia, Mediam-bahoaka, Saripika, Tsidika

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2006)


Endrika tokotany Vileika efa mahazatra – sary an'i Yevgenia Mantsevich (mpampiasa LJ litota_ [1])

litota [2] mpampiasa LJ , any Minsk izy amin'izao fotoana izao, dia nitsidika an'i Vileika tanàna nahaterahany tamin'ny andro fialantsasatra lasa teo ary nandefa ny sarin'ireo ora telo nitsangatsanganana [1] izay nataony nandritra ny naha tany azy (Bel). Ireo tapis maroloko an'olona, mihantona mba ihahy eo amin'ny iray amin'ireo tokotany (sary eo ambony) no nahatonga azy nahamarika ny fahasamihafana nisy teo amin'i Vileika [3] (mponina miisa 30 000) sy i Minsk [4] renivohitra (mponina 2 tapitrisa):

Taorian'i Minsk, tsy zatra an'io intsony aho. Nefa ao Vileika – tena zavatra mandeha ho azy.

Ny andiany – izay ahitana an'ireo sari-na hopitalin'i litota_ nandritra ny vanim-potoana faha-Sovietika, dia teraka teo, trano hazo iray an'ny sekoly fianarana mozika izay nianarany, trano hazo iray hafa misy kintana mena mitaingina eo amboniny (tranon'ny bekotro maro holatra iray nandritra ny Ady Lehibe patriotika) – mampitamberina an-tsaina ny fanahin'ny tanàna kelin'i Vileika sy ny fihetsehampon'ilay mpakasary:

[…] tsy mahalaza ny rehetra ity safidy ity. Tsy toy izao fotsiny i Vileika. Tena mifangaroharo. Ary mety ho azoko naseho ho sahala amin'ny marevaka sy mahasodoka izy na [malahelo sy matroka]. Saingy nipoitra araka izay fandehany teo ilay izy satria, heveriko fa, tao anatin'ny rivotry ny falahelovana-fanembonana aho, ary io no toe-po iriako afindra.

Nahazo aingam-panahy tamin'ireo sarin’i litota_, nanapa-kevitra ny hamorona vondrom-piarahamonina LJ another_belarus [5] (Ros) ny mpampiasa LJ macsim_by [6] .

[…] tokony foronina ny pejy iray hisy ireo sarina Bielorosia iray hafa. Isanandro, motramotraka, somary tsotsotra kely, nefa tena lalaina. […]

Natombony tamin'ny fandefasana indray an'ireo sary nalainy manokana avy tamina tanàna kely iray hafa izany [7], Golshany, izay nipoitra voalohany [8] teo amin'ny LJ-ny (Ros) – andiany iray mahaketraka, tena tsy ahitàna olona:

Ninianay tsy nalaina sary akory ireo olona, satria tena izany mihitsy ny zava-mitranga rehefa tsy dia mifanaraka loatra amin'izay ao anatiny ao ny fonony… Averiko indray: izay rehetra niresahanay dia olona mahafinaritra avokoa, antsoina hoe siran'ny tany izy ireo, hoy aho mamisavisa… Azoko antoka fa tsy izy ireo mihitsy no hanabe ankizy masiaka, ary raha toa izy ireo entina amina fanajàna kely sy omena fanantenana bebe kokoa… nahoana moa, mendrika izany izy ireo!

Nisy ilay dia noho ny fanampian'ilay vahiny iray naman'i macsim_by izay leo ilay Belorosia tsara sy “mahasodoka” ivelany fotsiny. Avy eo, eo am-pisotroana divay vita tao an-toerana, tsy maintsy noresena lahatra ilay vahiny hoe tsy te-hiaina tahaka izay niainany hatrizay ny vahoaka eo an-toerana – “satria, noho ny antony itsy na iroa, aminy dia tahaka ny afapo amin'ny zava-misy iainany [ry zareo]”.

Adihevitra iray [7] (Ros, Bel) mikasika ny hoe azo ekena sa tsia ny hanana vondrom-piarahamonina iray LJ mifantoka amin'ity Belorosia tsy dia manintona ity, mifantoka amin'ireo endrika isankarazan'ilay olana oìmoba ny toe-piainana mila tsy ho zaka:

ftqkatel [9]: […] toa vao mainka ratsy lavitra ireo faritra ambanivohitr'ireo firenena demaokratika Eoropeana sy indrindra indrindra Amerikana. Heveriko fa tsy misy ilàna mihitsy an'io vondrom-piarahamonina io.

litota_ [2]: Resaka endrika ivelany io, fa tsy demokrasia. […]

ozozo [10]: […] raha ny momba ireo ambanivohitra Eoropeana – eny, eny, azo antoka ny hahitana santionana hatsarana tsy hay lazaina, ato ohatra – – http://community.livejournal.com/abandonedplaces [11] – saingy tsy io no anananay, satria tsy any ny olona no monina ! Sady feno an'io dika lalina tsy mampino, tsy ho azo tanterahana sy manokana io ny anay ny famaritana, tena lalina tsy mampino, feo maranitra, mahakivy no sady rotorotom-pahazarana. mitolagaga amin'io hatsaràna io aho – no sady toy izay koa ho an'ity vondrom-piarahamonina ity.

macsim_by [6]: misaotra anao noho ny fanohananao. “feno an'io dika lalina tsy mampino, tsy ho azo tanterahana sy manokana io ny anay ny famaritana, tena lalina tsy mampino, feo maranitra, mahakivy no sady rotorotom-pahazarana” – azo avadika mora foana ho teny filamatr'ilay vondrom-piarahamonina izy ity!!!

[…]

oskoltsev [12]: Tsy azoko mihitsy hoe fihetseham-po toa inona no tokony havoitran'ireo sary ireo. Amin'ny maha mpankafy ny fikororosiana ahy, mientanentana aho noho ireo sary ireo, tsy avy miaina aho mahita azy ireo – te-ho any aho!!!

macsim_by [6]: […] Azoko tsara fa tsy misy ho haingona teatra na dia iray aza amin'ireo sary ireo. Tena fiainana marina miaraka amin'ny olona io, miaraka amin'ireo ankizy ary ireo zokiolona mijoro ao ambadiky ny sehatra, ary tsy maniry na iza n'iza aho hiaina fikororosiana tahaka izany.

***

Misy vondrom-piarahamonina iray mitovy amin'io, misy tantara betsaka sy fifantohana iray somary voafetra kokoa: another_minsk [13] (Ros, Bel) – sy vohikala iray mitovy anarana amin'ny tenimpirenena telo: Another Minsk [14] (Ang).