- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy be teny loatra i Denver Toroxa Breda, mitantana ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang mandritra ny 22–28 mey

Sokajy: Antsafa, Mediam-bahoaka, Teny afrikana sy Dizitaly-digiafricanlang, Rising Voices

Sary nomen'i Denver Toroxa Breda.

Amin'ity taona 2019 ity ao anatin'ny fanentanana media sosialy hankalazana ny fimaroam-piteny an-tserasera [1], mifandimby ny mpikatroky ny fiteny afrikana sy ny mpanandra-teniny amin'ny fitantanana ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang [2] hizara ny zava-niainan-dry zareo tamin'ny famelomana aina indray sy tamin'ny fampahafantarana ny fiteny afrikana. Ity ny lahatsoratra momba an'i Denver Toroxa Breda. (@ToroxaD [3]) sy izay kasainy horesahana mandritra ny herinandro maha-mpampiantrano azy.

Rising Voices: Lazalazao anay ny momba anao azafady.

Khoe languages and cultural Kuwiri or activist, writer advocating for the officialisation of Khoekhoe and N|uu, two of SA's First languages.

Fiteny Khoe sy kolontsaina Kuwiri na mpikatroka, mpanoratra manandratra ny teny hahaofisialy ny Khoekhoe sy ny N|uu, roa amin'ny fiteny voalohan'i Afrika Atsimo.

RV: Manao ahoana moa izany ny fiteninareo ato amin'ny aterineto sy ivelan'izany amin'izao fotoana izao?

Khoekhoe is spoken in Namibia, studied at schools, and yet in SA where it originated, only 2000 speak the language, it's not official, it's not in school. N|uu has one fluent speaker, not official and at schools, it's a critically endangered language.

Itenenana any Namibia ny Khoekhoe, ianarana any an-tsekoly, nefa dia teto Afrika Atsimo no niaviany, 2000 monja no miteny azy, tsy teny ofisialy, tsy any an-tsekoly. Iray ihany no mahay miteny haingana ny N|uu, tsy ofisialy ary tsy an-tsekoly, fiteny tena ahiana indrindra ho lany tamingana.

RV: Lohahevitra manao ahoana no kasainao ifantohana mandritra ny herinandro itantananao ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang?

Language recognition, language revival language loss, teaching some language and interesting words.

Famantarana ny fiteny, famelomana aina indray ny fiteny very, fampianarana ny fiteny sasantsasany sy voambolana mahaliana.

RV: Inona ny fandrisihana ho anao voalohany nahatonga anao havitrika ara-nomerika hanandratra ny fiteninareo? Inona avy ny nofinofy sy ny fanantenanao ho amin'ny fiteninareo?

That our languages don't die, that it's taught at school's, universities, spoken by everyone in Africa.

Mba tsy ho faty ny fiteninay, mba hampianarina any an-tsekoly, oniversite, hotenenin'ny rehetra eto Afrika.